Isaia 11 - Malagasy Protestant Bible 2011

Davida vaovao

1Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese,

hisy mitrebona avy eo aminy.

2Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO,

dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina,

ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana,

ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.

3Ho hanitra ankasitrahana Aminy ny fahatahorana NY TOMPO

ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy,

na hampanaiky araka ny ren’ny sofiny.

4Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika

ary homeny rariny

ny mahantra amin’ny tany;

hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy,

ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.

5Fahamarinana no ho fisikinany,

ary fanahy mahatoky no ho fehikibony.

Hiray toerana ny amboadia sy ny ondry

6Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry,

hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda;

hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy

ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.

7Hiara-komana ny ombivavy sy ny bera,

hiara-mandry ny zanany,

ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona.

8Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono

ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono.

9Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba

manerana ny tendrombohitro masina;

fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany,

tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina.

Ny fiverenan’ireo voaroaka tamin’ny Israely

10Amin’izany andro izany, ny Solofon’i Jese,

izay hijoro toy ny faneva ho an’ny firenena hafa,

dia hotadiavin’ny Jentilisa,

ary ho feno voninahitra ny toeram-pitsaharany.

11Amin’izany andro izany dia mbola hanatsotra ny tanany fanindroany ny Tompo

mba hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Asiria sy Ejipta,

Patrosa sy Kosy,

Elama, Sinara sy Hamata

ary ny avy any amin’ny nosy an-dranomasina.

12Dia hanangana faneva ho an’ny Jentilisa Izy

ka hamory ny Israely izay voaroaka

sy hanangona ny Joda izay voaely

avy any amin’ny vazan-tany efatra.

13Hitsahatra ny fialonan’i Efraima

ary hofongorana ny mpandrafy an’i Joda;

tsy hialona an’i Joda intsony i Efraima

ary tsy handrafy an’i Efraima intsony i Joda.

14Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo

sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana;

amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany

ary hanoa azy ny taranak’i Amona.

15Hataon’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny sakeli-dranomasin’i Ejipta,

hanainga ny tanany amin’ny ony Eofrata Izy

ka hamely azy amin’ny rivony mahamay;

hokapohiny io dia hanjary sakeli-drano fito

ary ho tafita amin’izany ny olona tsy miala kapa.

16Hisy lalana voavoatra halehan’ny olony sisa,

izay ho sisa avy any Asiria,

toy ny ho an’ny Israely

tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help