Isaia 48 - Malagasy Protestant Bible 2011

Antso, fananarana ary fampanantenana ho an’Israely

1Mihainoa, ry taranak’i Jakoba,

dia ianareo izay antsoina amin’ny anaran’Israely

sy avy amin’ny loharanon’i Joda,

ianareo izay mianiana amin’ny anaran’NY TOMPO

ary mahatsiaro ny anaran’Andriamanitry ny Israely,

kanefa tsy araka ny marina na araka ny hitsiny!

2Fa milaza ny tenany ho avy amin’ny tanàna masina izy

ka miankina amin’Andriamanitry ny Israely;

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

3Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny;

naloaky ny vavako izany

sady nambarako;

tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany.

4Satria fantatro fa maditra ianao

ka hoza-by ny hatokao,

ary varahina ny handrinao,

5dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany;

eny, fony tsy mbola tonga aza izany dia efa nambarako taminao rahateo,

fandrao hataonao hoe:

Ny sampiko no nanao izany

ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika

no nandidy izany.

6Efa renao ka jereo izany rehetra izany!

Moa tsy hanambara izany va ianareo?

Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao,

dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.

7Vao izao no namoronana azy

fa tsy hatramin’ny fahiny

dia tsy mbola nandre azy ianao talohan’ny andro androany,

fandrao lazainao hoe:

Indro, ny efa fantatro ihany izany!

8Fa tsy nandre ianao

na nahalala na inona na inona;

eny, hatramin’ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao.

Fa fantatro fa tena mpivadika ianao

sady nantsoina hoe mpikomy hatrany an-kibo.

9Noho ny anarako

dia mampitony ny fahatezerako Aho;

ary mba hiderana Ahy

dia manindry fo ny aminao Aho

mba tsy hamongorana anao.

10Indro, nodioviko ianao

nefa tsy toy ny volafotsy;

nizaha toetra anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho.

11Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany.

Indrisy, lotoina ny anarako!

Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa.

12Mihainoa Ahy, ry Jakoba,

sy ry Israely izay nantsoiko!

Izaho; eny, Izaho no voalohany

ary Izaho koa no farany.

13Ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany,

ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra;

rehefa antsoiko ireo

dia indray miseho avokoa.

14Mivoria ianareo rehetra ka mihainoa!

Iza amin’ireny moa no mba efa nanambara izany?

Ilay tian’NY TOMPO

no hahefa ny sitrapony amin’i Babilona

ary ho amin’ny Kaldeana ny sandriny.

15Izaho dia Izaho ihany no miteny

sady miantso azy,

nitondra azy Aho

ka hambinina ny lalany.

16Manatòna Ahy ianareo ka mihainoa!

Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina,

hatry ny fony vao nisian’ireo zavatra ireo dia teo Aho.

Ary ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitra

no naniraka Ahy miaraka amin’ny Fanahiny.

17Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anao,

dia ny Iray Masin’ny Israely:

Izaho, TOMPO Andriamanitrao,

no nampianatra anao mba hahitanao soa

sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.

18Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko!

Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao

ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;

19ho tahaka ny fasika ny taranakao

ary ho tahaka ny sombim-pasika ny aloaky ny kibonao;

tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany.

20Mivoaha hiala any Babilona;

mandosira avy any amin’ny Kaldeana!

Torio amin’ny feo mahafaly

ary ambarao,

aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany

ka lazao hoe:

NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony!

21Tsy nangetaheta ireo

tamin’ny nitondrany azy tany an-tany efitra;

nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy;

eny, nampitresaka ny vatolampy Izy

dia nigororoana ny rano.

22Tsy misy fiadanana

ho an’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help