2Tantara 24 - Malagasy Protestant Bible 2011

I Joasy, mpanjakan’ny Joda 2Mpa 12.1-4

1Fito taona i Joasy raha nanomboka nanjaka ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Zibia, avy any Bery-Sheba.

2Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tamin’ny andro rehetra niainan’i Joiada mpisorona i Joasy.

3Ary nakan’i Joiada vady roa i Joasy, dia niteraka lahy sy vavy.

Nasain’i Joasy amboarina ny simba ao amin’ny tempoly 2Mpa 12.5-17

4Nony afaka izany dia tonga tao am-pon’i Joasy ny hanamboatra ny tranon’NY TOMPO.

5Dia namory ny mpisorona sy ny levita izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.

6Ary nampaka an’i Joiada, lohany tamin’ireo, ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ny levita no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ho ao amin’ny tabernakelin’ny vavolombelona, araka ny didin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny fiangonan’ny Israely?

7Fa ny zanak’i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, dia efa nandrava ny tranon’Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO koa dia efa nateriny ho an’ireo Baala.

8Ary nasain’ny mpanjaka nanao vata iray ny olona, dia napetrany teo ivelan’ny vavahadin’ny tranon’NY TOMPO izany.

9Ary nandefa teny nanerana ny Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’NY TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, haloan’ny Israely, fony izy tany an-tany efitra.

10Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka manontolo ka nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin’ny vata ambara-pahafenony.

11Tamin’ny andro nitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny toniany izay voatendrin’ny mpanjaka, rehefa hitany fa be ny vola, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny toniany izay voatendrin’ny Mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany hatrany no nataony ka nahavory vola betsaka izy.

12Ary nomen’ny mpanjaka sy i Joiada ho an’izay nanao ny raharahan’ny tranon’NY TOMPO ny vola ka nanakaramany ireo tambato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboarana ny tranon’NY TOMPO.

13Dia niasa ny mpiasa ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon’Andriamanitra ka nataony mafy.

14Nony vitany izany dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’NY TOMPO, dia fanaka hoenti-manao fanompoam-pivavahana sy manolotra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana manontolo tao amin’ny tranon’NY TOMPO mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra.

Tonga nahafoy ny TOMPO i Joasy

15Tratra antitra sy ela niainana i Joiada vao maty: Telopolo amby zato taona izy vao maty.

16Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida tao amin’ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ny Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tranony.

17Rehefa maty i Joiada dia avy ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.

18Ary nandao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoan’ireo.

19Naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’NY TOMPO; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.

20Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Joiada mpisorona ka nitsangana teo amin’ny avoavo teo anatrehan’ny vahoaka ary niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’NY TOMPO ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy NY TOMPO ianareo dia nahafoy anareo kosa Izy.

21Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO araka ny tenin’ny mpanjaka.

22Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, satria namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: NY TOMPO anie hijery sy hamaly izao.

Ny nifaranan’ny fanjakan’i Joasy 2Mpa 12.18-22

23Nony niherina ny taona dia avy ny miaramilan’i Arama hiady aminy; tonga tany Joda sy Jerosalema izy ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ny olona ary nalefany ho any amin’ny mpanjakan’i Damaskosy ny babony rehetra.

24Vitsy ny miaramilan’ny Arameana izay tonga teo, nefa NY TOMPO nanolotra miaramila maro ho eo an-tanany noho ny nahafoizan’ny Joda NY TOMPO, Andriamanitry ny rainy. Toy izany no nahatanterahan’ireo ny famaliana an’i Joasy.

25Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

26Ireto avy no nikomy taminy: I Zabada, zanak’i Simata amonita, sy i Jozabada, zanak’i Simrita moabita.

27Ny amin’ny zanany sy ny hamafin’ny faminaniana izay nilaza ny loza hanjo azy, ary ny nanamboarany ny tranon’Andriamanitra, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjaka izany. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help