Isaia 22 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fampitandremana an’i Jerosalema

1Ny loza hanjo ny Lohasahan’ny Fahitana.

Nahoana re ianao no niakatra

niaraka tamin’ny olonao rehetra ho eny an-tampon-trano,

2ry tanàna be horakoraka sy be tabataba,

vohitra miravoravo?

Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra,

na maty an’ady.

3Miara-mandositra ny mpitondra anao;

afatotry ny mpandefa zana-tsipìka izy.

Izay olona rehetra hita tao aminao dia niaraka azo babo,

na dia nitady handositra lavitra aza.

4Koa izany no ilazako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy,

fa hitomanin’alahelo aho;

aza dia fatra-pampionona ahy

noho ny fandringanana ny oloko, zanakavavy.

5Fa misy andron’ny horohoro

sy fanosihosena ary fahaverezan-kevitra

avy amin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana:

Rava ny manda,

ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy.

6Mitondra ny tranon-jana-tsipìka i Elama,

manatona ny kalesy fitondra miady misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly;

Manaisotra ny fonon’ampinga i Kira.

7Feno kalesy fitondra miady ny lohasahanao tsara indrindra,

milahatra eo am-bavahady ny mpitaingin-tsoavaly,

8ary alany ny fisalobonan’i Joda.

Amin’izany andro izany dia mijery

ny fiadiana ao amin’ny Tranon’ny Ala ianao.

9Hitanareo fa maro ny banga amin’ny Tanànan’i Davida;

mamory ny rano avy amin’ny kamory ambany ianareo;

10isainareo ny trano any Jerosalema,

ary ravanareo ny trano mba hanamafisanareo ny manda.

11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo

halehan’ny rano avy amin’ny lavaka famorian-drano taloha.

Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo,

na mahita Izay namolavola azy hatry ny ela.

12Amin’izany andro izany dia hiantso NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,

hiantso fitomaniana sy fitolokoana

sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana;

13kanjo e izato hafaliana sy haravoravoana!

Vonoina ny omby sy ondry aman’osy.

Hanina ny hena ary sotroina ny divay:

Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty!

14Dia nambaran’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, teo an-tsofiko izao:

Tsy hisy fanavotana ho an’izao helokareo izao ambara-pahafatinareo,

hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.

Fampitandremana an’ilay mpiandraiki-draharaha atao hoe Sebna

15Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao:

Andeha mankao amin’io mpiandraiki-draharaha io,

dia i Sebna, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao hoe:

16Inona no ataonao atỳ,

ary iza no havanao etỳ,

no manao fasana etỳ ianao?

Mandavaka ny fasanao eny an-kavoana ianao

sy manamboatra fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato!

17Indro NY TOMPO hanipy anao lavitra;

eny, hogiazany mafy ianao,

18dia hakodiany toy ny kodiarana

ho any amin’ny tany malalaka;

any no hahafaty anao ary ho any koa ireo kalesy fitondranao miady feno voninahitra,

ry ilay henatry ny fianakavian’ny tomponao!

19Horoahiko hiala amin’ny toeranao ianao,

haongako hiala amin’ny raharahanao ianao

20Amin’izany andro izany

dia hantsoiko kosa i Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia;

21hampanaoviko azy ny akanjonao

sady hosikinako amin’ny fehikibonao izy

ka hatolotro ho eo an-tanany ny fahefanao;

dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema

sy ny taranak’i Joda izy.

22Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,

dia hamoha izy ka tsy hisy handrindrina;

ary handrindrina izy ka tsy hisy hahavoha.

23Hatsatoko toy ny fanantonan-javatra eo amin’ny toerana mafy izy

ka ho sezam-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.

24Hahantona eo aminy ny voninahitry ny fianakavian-drainy rehetra, dia ny sampany sy ny rantsany rehetra, ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samihafa rehetra.

25Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hesorina ilay fanantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny toerana mafy; eny, hokapaina izany ka hianjera; dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa NY TOMPO no niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help