1Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy:
Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO
dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra;
hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy
ary hitanjozotra hankany ny firenena maro.
2Eny, maro ny Jentilisa no hiainga ka hiteny hoe:
Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO,
ho any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba
mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany
ka handehanantsika amin’ny sakeli-dalany.
Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna,
ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
3Ho mpitsara amin’ny firenena maro Izy
ka hampiaiky ny firenena matanjaka na dia ireo any lavitra aza.
Dia hanefy ny sabany ho lelan’angadinomby ireny,
ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka:
Tsy hisy firenena hanainga sabatra hifamely
na hianatra ady intsony.
4Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy,
ary tsy hisy hampihorohoro azy,
fa ny vavan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no niteny.
5Ny firenena rehetra dia samy mandeha
amin’ny anaran’ny andriamaniny avy,
fa isika kosa
dia handeha amin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika
mandrakizay doria.
Hanjaka ao Jerosalema NY TOMPO6Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO,
no hanangonako ny mandringa
sy hamoriako izay noroahina
mbamin’izay nampahoriko.
7Ny mandringa no havelako ho sisa,
ary izay noroahina lavitra no ho firenena matanjaka.
NY TOMPO hanjaka aminy ao amin’ny tendrombohitra Ziona
manomboka amin’izany ka ho mandrakizay.
8Ary ianao, ry Tilikambon’ny andian’ondry,
tendrombohitr’i Ziona zanakavavy,
aminao no ho tonga izany; eny, ho tonga indray ny fahefana voalohany,
dia ny fanjakan’i Jerosalema zanakavavy.
9Koa nahoana no mitaraina mafy ianao?
Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao,
sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainanao,
no dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy eo am-piterahana?
10Ry Ziona zanakavavy, mararia ka manezaha,
toy ny vehivavy eo am-piterahana!
Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao
ka hipetraka any an-tsaha,
dia ho tonga hatrany Babilona aza;
any no hamonjena anao,
eny, any no hanavotan’NY TOMPO anao ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
11Ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro
izay milaza hoe: Voaloto i Ziona,
ary aoka hifaly mijery azy ny masontsika.
12Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry NY TOMPO
ary tsy azony ny fisainany:
Efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
13Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy,
fa hataoko vy ny tandrokao
ary hataoko varahina ny kitronao
ka hanorotoro firenena maro ianao;
tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny,
ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.
14Koa mivoria ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andian-tafika!
Ataovy fahirano izahay;
asio amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.