Salamo 15 - Malagasy Protestant Bible 2011

Izay andrasan’Andriamanitra amin’ny olona matoky AzySalamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao?

Iza no honina ao amin’ny tendrombohitrao masina?

2Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy

sady misaintsaina ny marina ao am-pony.

3Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy

sady tsy manisy ratsy ny sakaizany

no tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.

4Tsy manaja ny ratsy fanahy izy

fa manome voninahitra ny matahotra NY TOMPO;

tsy mivadika amin’ny fianianany izy na dia maningotra ny tenany aza.

5Tsy manome ny volany hampanjanahina izy,

na mandray kolikoly hanameloka ny tsy manan-tsiny.

Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help