Salamo 19 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao; ny lalànan’NY TOMPOHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1Ny lanitra dia mitory ny voninahitr’Andriamanitra

ary ny habakabaka dia manambara ny asan’ny tanany.

2Ny andro dia samy miteny amin’ny andro mandimby azy

ary ny alina dia samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.

3Tsy misy teny na fiteny miasa anefa

sady tsy re koa izay feony.

4Efa lasa ho any amin’ny tany rehetra ny kofehy fandrefesany

ary mihatra amin’ny faran’izao rehetra izao ny teniny;

tany no nanaovany tranolay ho an’ny masoandro.

5Ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitrano fatoriany,

mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ny alehany izy.

6Avy any amin’ny faravodilanitra no fiposahany

ary ny alehany dia hatrany amin’ny farany koa;

tsy misy takona amin’ny hafanany.

7Tsy misy tsiny ny lalànan’NY TOMPO, mamelombelona ny fanahy;

mahatoky ny teny vavolombelon’NY TOMPO, mahahendry ny tso-po.

8Mahitsy ny fitsipiky NY TOMPO, mahafaly ny fo;

madio ny didin’NY TOMPO, mampahazava ny maso.

9Madio ny fahatahorana NY TOMPO, maharitra mandrakizay;

marina ny fitsipiky NY TOMPO, eny, mahitsy avokoa.

10Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena tsy miharo betsaka aza;

mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.

11Ny mpanomponao dia hazavain’ireny

ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy ireny.

12Raha ny fahadisoana tsy nahy, iza re no mahalala izany?

Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatro.

13Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny mpiavonavona;

aoka tsy hanapaka ahy ireny!

Dia ho marina aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe.

14Aoka ny tenin’ny vavako

sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao,

TOMPO ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help