Isaia 58 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fifadian-kanina ankasitrahan’NY TOMPO

1Ezaho mafy ny antsonao

fa aza atao moramora!

Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara

ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany

ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany!

2Mitady Ahy isanandro isanandro izy,

ary ny hahalala ny lalako no sitrany,

tahaka ny firenena efa nanao ny marina

ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny;

manontany Amiko ny fitsipiky ny fahamarinana izy

ary maniry hanakaiky an’Andriamanitra.

3Nahoana izahay no mifady hoy izy

nefa tsy hitanao?

Nahoana izahay no mampahory ny tenanay

nefa tsy ahoanao?

Indro fa amin’ny andro fifadianareo aza

dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo,

ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia mbola ampahorinareo.

4Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ny ifadianareo

ary ny hamely amin’ny totohondrin’ny faharatsiana;

izao fifadianareo izao

dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ny avo.

5Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako,

dia andro hampahorian’ny olona tena?

Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro

sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandrianany va?

Moa izany va no ataonao hoe fifadiana

sy andro ankasitrahan’NY TOMPO?

6Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:

Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana,

ny hanaboraka ny fehin’ny zioga,

ny handefa ny ampahorina ho afaka

ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra?

7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va

sy ny hampiantrano ny ory manjenjena

ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka

ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?

8Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao

ary ho tonga haingana ny fahasitrananao;

ny fahamarinanao no hialoha lalana anao

ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao.

9Amin’izany dia hiantso ianao

ary hamaly NY TOMPO;

eny, hanandratra ny feonao ianao

ary hiteny Izy hoe: Inty Aho!

Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga

sy ny fanondro miampanga

ary ny fitenenan-dratsy,

10ary afoinao ho an’ny noana

izay hanina tianao

ka mahavoky ny ory ianao,

dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao

ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.

11NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva

sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza

ary hampatanjaka ny taolanao koa.

Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao

ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.

12Izay taranakao no hanangana ny efa rava ela,

hamboarinao ny naorina hatry ny fony fahagola;

ary ianao dia hatao hoe mpanamboatra ny rava,

mpamelon-dalana

hahatonga ny tany ho azo onenana.

Ny Sabata ankasitrahan’NY TOMPO

13Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata ianao

ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina,

ary miantso ny Sabata hoe Fahafinaretana

ary nohamasinin’NY TOMPO ka Mendrika hohajaina,

sady manome voninahitra azy

ka tsy mandeha amin’ny lalanao,

na manao izay tianao

na miteniteny foana,

14dia hiravoravo amin’NY TOMPO ianao,

ary hasandratro eny amin’ny havoana amin’ny tany ianao,

sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao,

fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help