1Dia namaly i Joba hoe:
2Efa nandre zavatra maro toy izany aho;
mpampionona mahasorena foana ianareo rehetra.
3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana?
Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
4Izaho kosa dia mba nahazo niteny tahaka anareo
raha mba tamin’ny toerana misy ahy ianareo;
eny, ho nahazo nandahatra teny hoenti-mamely anareo aho
ary nahazo mihifikifi-doha aminareo;
5nahazo nampahery anareo tamin’ny vavako aho
ary nahazo nampitony ny alahelonareo ny fampiononana nataon’ny molotro.
6Fa raha miteny aho dia tsy mitsahatra ny alaheloko;
ary raha mangina aho, ahoana no hialany amiko?
7Fa ankehitriny dia efa nandemy ahy Izy;
naringanao ny ankohonako rehetra.
8Nampifezaka ny tenako Ianao ka tonga vavolombelona mamely ahy izany.
Mitsangana hiampanga ahy ny fahiazako
ka tondro-maso mifanatrika izany.
9Amin’ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy,
mihidy vazana amiko Izy;
eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
10nisanasana vava tamiko ny olona;
latsa no noentiny namely ny takolako;
mitambatra hamely ahy izy.
11Efa voatolotr’Andriamanitra ho amin’ny ratsy fanahy aho
ary natsipiny ho eo an-tanan’ny mpanota.
12Tamin’ilay izaho tsy nanana ahiahy iny dia nanozongozona ahy Izy;
nosamboriny tamin’ny hatoko aho ka nomontsaniny
ary natsangany indray ho marika hokendreny.
13Manodidina ahy ny zana-tsipìkany;
mamaky ahy hatrany anatiko Izy ka tsy miantra
ary mandraraka ny aferoko ho amin’ny tany.
14Tsy mitsahatra manisy banga amiko Izy
ka miroatra hamely ahy tahaka ny mpiady mahery.
15Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro
ary nalako baraka teo amin’ny vovoka ny tandroko.
16Teramenan’ny fitomaniana ny tavako
ary eo amin’ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana.
17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny
ary madio ny vavaka ataoko.
18Ry tany ô, aza manarona ny rako
ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
19Fa na dia ankehitriny izao aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko;
eny, ny Mpiantoka ahy dia any amin’ny avo.
20Mihomehy ahy ny sakaizako;
mandrotsa-dranomaso eo anatrehan’Andriamanitra kosa aho
21mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy
ary hanafa-tsiny ahy zanak’olombelona amin’ny sakaizako.
22Fa efa kely sisa ny taona hiainako
ka handeha any amin’ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.