Isaia 61 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny Iraky NY TOMPO sy ny asa hataony

1Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko,

satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy

mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra,

naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy

ary hitory fanafahana amin’ny babo

sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,

2hitory ny taona ankasitrahan’NY TOMPO

sy andro famalian’Andriamanitsika;

hampionona ny malahelo rehetra,

3hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona;

eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona

sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana,

ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka

mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana,

nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.

4Koa hanangana ny efa rava hatry ny fony fahagola izy

ary hamboatra ny efa lao hatramin’ny fahiny,

dia hohavaoziny indray ny tanàna rava,

izay efa lao hatramin’ny taranaka nifandimby.

5Ho tonga ao ny vahiny

ka hiandry ny ondry aman’osinareo,

ary ny hafa firenena

dia ho mpiasa tany sy ho mpikarakara tanim-boaloboka ho anareo.

6Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’NY TOMPO;

mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo;

hohaninareo ny harenan’ny firenena

ary ho reharehanareo ny voninahiny.

7Ny henatrareo

dia hosoloana avo roa heny

ary ny tondro-maso

dia hosoloana hoby amin’ny anjara lovany;

noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy

ary fifaliana mandrakizay no ho azy.

8Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina;

halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy;

homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy,

ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.

9Ho fantatra any amin’ny Jentilisa ny taranany,

ary any amin’ny firenena ny terany;

izay rehetra mahita azy dia hahafantatra

fa taranaka notahin’NY TOMPO izy.

Hira fisaorana

10Hifaly dia hifaly ao amin’NY TOMPO aho,

ho ravoravo ao amin’Andriamanitro ny fanahiko;

fa notafiany fitafian’ny famonjena aho

ary nampiakanjoiny akanjon’ny fahamarinana,

toy ny mpampakatra manao fehiloha tsara tarehy tahaka ny mpisorona,

ary toy ny ampakarina mihaingo amin’ny firavany.

11Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy,

ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy teo aminy,

dia toy izany no hampisehoan’NY TOMPO Andriamanitra fahamarinana sy fiderana

eo anatrehan’ny firenena rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help