1Tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2Ry zanak’olona, manandrifia an’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka maminania ny hamelezana azy mbamin’i Ejipta rehetra.
3Mitenena ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra:
Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’i Ejipta,
ilay dragona makadiry
mamitsaka ao amin’ny Neiliny,
dia ilay niteny hoe: Ahy ny Neiliko,
Izaho no namorona azy ho an’ny tenako!
4Hasiako farango ny valanoranonao dia hampiraiketiko amin’ny kiranao ny hazandrano ao amin’ny Neilinao ka hampiakariko avy eo afovoan’ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ny Neilinao dia hiraikitra amin’ny kiranao.
5Dia hariako any an-tany efitra ianao,
dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ny Neilinao.
Hitsitsitra eny an-tanety ianao
ka tsy hovorina na hangonina,
fa homeko hohanin’ny bibidia
sy ny voromanidina ianao.
6Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta
fa Izaho no TOMPO,
satria tehina volotara fandrefesana
ho an’ny taranak’Israely izy.
7Rehefa mandray anao amin’ny tanany izy
dia folaka ianao ka voatsindronao ny helik’izy rehetra;
ary rehefa mitehina aminao izy
dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny andilan’izy rehetra.
8Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9Ny tany Ejipta ho rava sy lao, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Satria hoy izy: Ahy i Neily, ary izaho no nanao azy!
10Dia indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Ejipta dia hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Siena, dia hatrany amin’ny sisintanin’i Kosy.
11Tsy hodiavin-tongotr’olona ny tany, ary ny tongo-biby aza dia tsy handia azy, sady tsy honenana efapolo taona izy.
12Ary ny tany Ejipta dia hataoko tany rava ao amin’ny tany rava, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao, efapolo taona. Eny, haeliko ho any amin’ny firenena any ny Ejiptiana ary hahahako any amin’ny tany samihafa.
13Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa afaka efapolo taona dia hangoniko avy any amin’ny firenena izay nielezany ny Ejiptiana.
14Haveriko amin’ny toerany eo aloha indray izy ka hampodiko any amin’ny tany Patrosa, tany niaviany, izy, ary any izy dia ho fanjakana ambany laharana;
15eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ny firenena hafa intsony; fa hohakeleziko izy ka tsy hanapaka amin’ny firenena intsony.
16Dia tsy ho tokin’ny taranak’Israely intsony izy ka ho fampahatsiarovana ny helony amin’ny andehanan’ireo hanaraka azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
Hamabo an’i Ejipta i Nebokadnezara mpanjaka17Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahafito amby roapolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
18Ry zanak’olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny miaramilany tamin’ny namelezany an’i Tiro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tiro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ny namelezany azy.
19Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, homeko an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny tany Ejipta, dia halainy ny harenany, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ny miaramilany.
20Ho valin’ny fanompoana nataony tany Tiro no nanomezako azy ny tany Ejipta, satria nataony ho Ahy izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
21Amin’izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ny taranak’Israely Aho, ary hataoko miloa-bava eo aminy ianao; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.