Salamo 86 - Malagasy Protestant Bible 2011

Amin’ny andro fahoriana dia miantso Anao ahoVavaka nataon’i Davida.

1Mihainoa, TOMPO ô, ka valio aho

fa ory sy mahantra!

2Arovy aho fa masina aho!

Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao

izay matoky Anao!

3Tompo ô, mamindrà fo amiko!

Fa Aminao no itarainako mandrakariva.

4Ampifalio aho, dia izaho mpanomponao;

fa Aminao, Tompo ô, no anandratako ny fanahiko.

5Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka

ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao.

6Henoy ny vavaka ataoko, TOMPO ô,

henoy tsara ny feon’ny fifonako!

7Amin’ny andro mampahory ahy dia miantso Anao aho,

fa mamaly ahy Ianao.

8Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ireo andriamanitra

ary tsy misy tahaka ny asanao.

9Ny firenena rehetra nataonao

dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô,

ka hanome voninahitra ny anaranao.

10Fa lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga;

Ianao irery ihany no Andriamanitra.

11Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô,

dia handeha amin’ny fahamarinanao.

Aoka ny foko manontolo hatahotra ny anaranao.

12Hidera Anao amin’ny foko manontolo aho, Tompo Andriamanitro ô;

hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.

13Fa lehibe ny famindramponao amiko

ary efa nafahanao tamin’ny fitoeran’ny maty any ambany indrindra aho.

14Andriamanitra ô, mitsangana hanohitra ahy ny mpirehareha

ary mitady ny aiko ny antokon’ny mpampihorohoro,

tsy mba heveriny fa eo anatrehany Ianao.

15Nefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra,

mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.

16Todiho aho ka amindrao fo,

omeo ny herinao ny mpanomponao

ary vonjeo ny zanaky ny mpanompovavinao!

17Anehoy famantarana ny ho soa aho

mba ho hitan’izay mankahala ahy ka ho menatra izy!

Fa Ianao TOMPO ô, no mamonjy sy mampionona ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help