1Manodidina Ahy amin’ny lainga i Efraima
ary amin’ny fitaka ny taranak’Israely;
nefa i Joda dia mbola miaraka amin’Andriamanitra
izay masina sy mahatoky ihany.
2Homan-drivotra i Efraima
sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana;
mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fampihorohoroana;
manao fanekena amin’ny Asiriana izy
ary mitondra diloilo ho any Ejipta.
I Jakoba, ilay mpamitaka, no razamben’ny Israely3Manana ady amin’i Joda koa NY TOMPO
ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny lalany
ka hatsingeriny aminy ny nataony.
4Fony mbola tany am-bohoka izy
dia nihazona ny voditongotry ny rahalahiny
ary rehefa lehibe izy dia nitolona tamin’Andriamanitra.
5Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery;
nitomany izy sady nifona Taminy.
Nahita azy tao Betela Izy
ary tao no niresahany tamintsika;
6NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao,
NY TOMPO no hahatsiarovana Azy.
7Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao,
tandremo ny fahitsiana sy ny rariny,
miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.
8Misy mizana miangatra eny an-tanan’ny mpivaro-mandeha;
ny manambaka no tiany.
9Fa hoy i Efraima:
Fiharian-karena ihany no nataoko
ka nahazo fananana aho;
tsy misy nahatonga fahotana na heloka ho ahy
ny asako rehetra.
10Izaho no TOMPO Andriamanitrao
hatrany amin’ny tany Ejipta;
mbola hampitoetra anao an-day indray Aho
tahaka ny tamin’ny andro firavoravoana.
11Niteny tamin’ny mpaminany koa Aho
sady nahabetsaka ny fahitana,
ary ny mpaminany dia nampilazako fanoharana.
12Raha tena olon-dratsy i Gileada
dia ho tonga zava-poana tokoa izy.
Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra;
koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato
eny am-bava asa any an-tsaha.
13Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakoba,
nanompo hahazoany vady Israely;
eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’osy.
14Mpaminany no noentin’NY TOMPO
nitondra ny Israely nivoaka avy tany Ejipta,
ary mpaminany koa no noentina niahy azy.
15Nanao izay nahasosotra sy nahatezitra i Efraima,
ka havelan’ny Tompony ho eo aminy ny rany
ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.