1Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ny mpanjakan’ny Joda, ny taolan’ny lehibeny, ny taolan’ny mpisorona, ny taolan’ny mpaminany ary ny taolan’ny mponina any Jerosalema,
2ka haeliny eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ny lanitra izay tiany sy notompoiny, izay narahiny sy notadiaviny ary niankohofany teo anatrehany. Tsy hangonina na halevina intsony ireny fa hatao zezika eny ambonin’ny tany.
3Ary ny sisa rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Mikiribiby amin’ny ratsy4Lazao aminy koa hoe: Izao no lazain’NY TOMPO:
Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina?
Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no mikomy
ka tsy mety mitsahatra mihitsy?
Mikikitra mafy amin’ny fitaka izy
ka tsy mety miverina.
6Nihaino Aho ka nandre
fa milaza teny tsy marina izy.
Ary tsy misy manenina ny amin’ny haratsiany
hoe: Inona ity nataoko ity!
Izy rehetra dia samy mivily eny am-pandehanany avy
tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ny ady.
7Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony,
ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa
dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy;
fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.
Novan’ny mpanoradalàna ny lalànan’NY TOMPO8Ahoana no itenenanareo hoe:
Hendry izahay,
ary ato aminay ny lalànan’NY TOMPO?
Nefa ny fanoratan-daingan’ny mpanoradalàna
no mahatonga azy ho lainga.
9Mahazo henatra ny hendry,
raiki-tahotra izy, voasambotra izy;
indro, nolaviny ny tenin’NY TOMPO,
koa inona intsony no fahendrena ananany?
Mandainga avokoa izy rehetra10Noho ireo dia homeko ho an’ny hafa ny vadiny
ary ho an’izay maka azy ny sahany,
satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe,
dia samy fatra-pila harena;
na mpaminany na mpisorona
dia samy mamitaka avokoa.
11Fa nataotaony foana ny fanasitranany
ny faharatran’ny oloko zanakavavy
tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana!
Kanjo tsy misy fiadanana akory!
12Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana;
nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy
ary tsy mba tsapany ny hadisoany.
Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy,
amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy,
hoy NY TOMPO.
Fahadisoam-panantenana13Hojinjaiko avokoa izy rehetra,
hoy NY TOMPO;
tsy mamoa ny voaloboka
ary tsy misy voany ny aviavy,
malazo ny raviny
ary nanendry
izay hanitsakitsaka azy Aho.
14Nahoana isika no mbola mipetra-poana?
Mivoria ianareo,
andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda
ka ho faty ao;
fa efa nanendry antsika ho faty NY TOMPO Andriamanitsika
ka nanome rano misy poizina hosotrointsika
noho ny nanotantsika tamin’NY TOMPO.
15Nanantena fiadanana isika,
kanjo tsy nahita soa;
ary andro fanasitranana,
kanjo indro fampatahorana.
16Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana:
Mihorohoro ny tany rehetra
noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka;
fa avy izy ka handany
ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,
dia ny tanàna sy izay monina ao.
17Fa indro Aho handefa
bibilava hamely anareo,
dia menarana izay tsy azon’ody
ka hanaikitra anareo ireny,
hoy NY TOMPO.
Ny alahelon’i Jeremia18Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko
fa reraka ny foko ato anatiko.
19Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy
avy any amin’ny tany lavitra hoe:
Moa tsy ao Ziona intsony va NY TOMPO?
Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany?
Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy
sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny?
20Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana,
nefa tsy voavonjy isika.
21Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy;
misaona aho,
ary horohoro no mahazo ahy.
22Moa tsy misy balisama va any Gileada?
Moa tsy misy mpitsabo va any?
Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
23Enga anie ka ho feno rano ny lohako,
ary ho loharanon-dranomaso ny masoko
mba hitomaniako andro aman’alina
ireo voavono amin’ny oloko zanakavavy!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.