Salamo 36 - Malagasy Protestant Bible 2011

Eo aminao no misy ny loharanon’ainaHo an’ny mpiventy hira. Nataon’i Davida, mpanompon’NY TOMPO.

1Misy fitenin’ny ratsy fanahy tonga ato an-tsaiko;

araka ny heviny dia tsy misy tokony hatahorana an’Andriamanitra.

2Fa miarahaba tena kosa izy

ka tsy mahafantatra ny helony sady tsy mankahala izany.

3Ny tenin’ny vavany dia faharatsiam-panahy sy fitaka;

tsy ao an-tsainy intsony ny hanao ny tsara.

4Asa ratsy no saintsaininy eo am-pandrianany;

mitsangana eo amin’ny lalana tsy mety izy;

tsy mba laviny akory ny ratsy.

5TOMPO ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao,

miantefa amin’ny rahona ny fahamarinanao.

6Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo,

ny fitsaranao dia toy ny lalina lehibe.

Ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, TOMPO ô!

7Endre ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô!

Mialoka eo ambany elatrao ny zanak’olombelona.

8Voky ny matavy ao amin’ny tranonao izy;

ny zava-tsoanao mikoriana no ampisotroinao azy.

9Fa ao Aminao no misy loharanon’aina;

ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

10Ampahareto amin’izay mahalala Anao ny famindramponao

ary amin’ny mahitsy fo ny fahamarinanao.

11Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona,

na hampandositra ahy ny tanan’ny ratsy fanahy.

12Amin’izany no mahalavo ny mpanao ratsy;

mianjera izy ka tsy tafarina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help