Hosea 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Andeha hiverina amin’NY TOMPO isika!

Fa Izy no namiravira nefa Izy ihany no hahasitrana antsika.

Izy no namely nefa Izy no hamehy ny ferintsika.

2Rehefa afaka roa andro dia hovelominy indray isika

ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangany

ho velona eo anatrehany isika.

3Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO.

Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany,

fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy

ary toy ny faraorana mahavonto ny tany.

4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima?

Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda?

Fa toy ny rahona amin’ny maraina ny fitiavanareo,

tahaka ny ando izay levona raha vao maraina.

5Noho izany no nitondrako ny mpaminany hamely azy;

ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy

ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava

6satria famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra

ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana manontolo.

Mampahafantatra ny fivadihan’Israely taminy Andriamanitra

7Nivadika ny fanekena toy ny tany Adama ireny.

Tao no nivadihany Tamiko.

8I Gileada dia tanànan’ny mpanao ratsy lian-dra.

9Toy ny jiolahy manao vela-pandrika

ny fikambanan’ny mpisorona;

mamono olona eny an-dalambe mankany Sekema izy;

eny, fahafaham-baraka izany.

10Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina;

ao no nijangajangan’i Efraima

sy naha voaloto an’Israely.

11Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao

rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help