Levitikosy 23 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny tetiandron’ireo fety eo amin’ny Israely

1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

2Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny amin’ireo andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO izay hantsoinareo hoe fivoriana masina, dia izao no izy:

Ny Sabata

3Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, fivoriana masina; aza miasa mihitsy ianareo, fa Sabata ho an’NY TOMPO eny amin’izay fonenanareo rehetra izany.

4Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO, dia fivoriana masina hantsoinareo amin’ny fotoanany avy.

Ny Paska sy ny fetin’ny mofo tsy misy masirasira

5Ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany, rehefa hariva milenti-masoandro, dia Paska an’ny NY TOMPO.

6Ary ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.

7Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha fanompoana ianareo

8fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.

Ny fetin’ny voaloham-bokatra

9Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

10Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any dia mitondrà amboara iray amin’ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ny mpisorona.

11Hanandratra ny amboara eo anatrehan’NY TOMPO izy mba hankasitrahana anareo; ny ampitson’ny Sabata no hanandratan’ny mpisorona azy.

12Koa amin’izay andro hanandratanareo ny amboara dia manolora zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay herintaona ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.

13Ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo hatao fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ary ny fanatitra aidina miaraka aminy dia divay ampahefatry ny hina.

14Aza mihinana mofo na lango na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’Andriamanitrareo; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.

Ny fetin’ireo Herinandro

15Manisà herinandro fito ho anareo, manomboka ny ampitson’ny Sabata ka hatramin’izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra asandratra.

16Ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ireo andro dimampolo hisainareo, dia manolora fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO.

17Mitondrà mofo roa avy any amin’ny fonenanareo hatao fanatitra asandratra; hatao amin’ny koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha izany ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’NY TOMPO izany.

18Dia manolora zanak’ondrilahy fito tsy misy kilema, iray taona avy, miaraka amin’ny mofo sy vantotra ombilahy iray ary ondrilahy roa. Hatao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

19Manolora koa osilahy iray ho fanatitra fanadiovana sy zanak’ondrilahy roa, herintaona avy, ho fanati-pihavanana.

20Ary ny mpisorona dia hanolotra ireo mbamin’ny mofon’ny voaloham-bokatra ho fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO, miaraka amin’ny zanak’ondrilahy roa; ireo dia ho masina ho an’NY TOMPO, ho anjaran’ny mpisorona.

21Ambarao ho fivoriana io andro io ka manaova fivoriana masina ary aza manao raharaha fanompoana. Ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay fonenanareo rehetra.

22Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo dia aza jinjaina avokoa ny eny an-tsisiny ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ny vokatrao fa avelao ho an’ny mahantra sy ny vahiny izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Ny andro voalohany amin’ny volana fahafito

23Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

24Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; amin’io no hitsofana trompetra ho fampahatsiarovana ny fivoriana masina.

25Aza manao raharaha fanompoana ianareo, fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

Ny Andro Fanavotana Lehibe

26Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

27Ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany no Andro Fanavotana Lehibe. Hisy fivoriana masina ho anareo; hifady hanina ianareo ka hanatitra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.

28Aza manao raharaha amin’izany andro izany; fa andro fanavotana io, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo.

29Fa ny olona rehetra izay tsy mety mifady hanina amin’io andro io dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.

30Koa ny olona rehetra izay miasa amin’io andro io dia hesoriko tsy ho amin’ny fireneny.

31Aza manao raharaha akory. Ho lalàna maharitra hatrany amin’ny taranakareo fara aman-dimby izany any amin’izay rehetra honenanareo.

32Ho Sabata izany, tena andro fitsaharana ho anareo ary hifady hanina ianareo; amin’ny andro fahasivy amin’ny volana, rehefa hariva, manomboka ny hariva ka hatramin’ny ampitso hariva no hitandremanareo ny Sabata, andro fitsaharanareo.

Ny fetin’ny trano rantsan-kazo

33Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

34Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafolo no hiantombohan’ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana.

35Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ka aza manao raharaha fanompoana.

36Hafitoana no hanoloranareo fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa ka hanolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO ianareo; andro fivoriana masina izany, koa aza manao raharaha fanompoana ianareo.

37Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ka hantsoinareo hoe: Fivoriana masina, hanolorana fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary fanatitra hafa alatsa-dra sy fanatitra aidina, samy amin’ny fotoanany avy izy rehetra,

38afa-tsy izay fanao amin’ny Sabatan’NY TOMPO sy ny zavatra ataonareo fanomezana sy ny fanatitra rehetra hanefanareo voady ary ny fanatitra an-tsitraponareo rehetra izay omenareo ho an’NY TOMPO.

39Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, rehefa manangona ny zavamaniry ianareo dia tandremo ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo koa dia andro fitsaharana.

40Amin’ny andro voalohany dia makà voan’ny hazo tsara tarehy, dia sampana palma sy rantsan’ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ny renirano, ho anareo; ary mifalia mandritra ny hafitoana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo.

41Tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, hafitoana isan-taona. Ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby io; amin’ny volana fahafito no hitandremanareo azy.

42Ao amin’ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo mandritra ny hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ny Zanak’Israely dia samy hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo avokoa,

43mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’Israely tao amin’ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

44Nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely ireo fotoam-pivavahana voatendrin’NY TOMPO ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help