Isaia 42 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ilay Mpanompon’NY TOMPO

1Indro ny Mpanompoko izay tantanako,

dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko.

Napetrako tao aminy ny Fanahiko;

hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy.

2Tsy hiantsoantso Izy,

na hanandratra ny feony,

na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.

3Tsy hotapahiny ny volotara torotoro,

ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona;

hanao fitsarana marina tokoa Izy.

4Tsy ho reraka Izy

na ho kivy,

mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany;

ary ny nosy dia hiandry ny lalànany.

5Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra,

izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy,

izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy,

izay manome fofonaina ny mponina ao aminy

sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:

6Izaho TOMPO no niantso anao tamin’ny fahamarinana

sy mihazona anao amin’ny tananao,

ary miaro anao Aho ka hanao anao ho fanekena ho an’ny olona,

ho fanazavana ny Jentilisa,

7hampahiratra ny mason’ny jamba,

hamoaka ny voafonja hiala ao an-tranomaizina

ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala tao amin’ny trano famatorana.

8Izaho no TOMPO, izany no anarako,

koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa,

na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.

9Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho;

ary zava-baovao kosa no toriko izao;

na dia tsy mbola miposaka aza ireny

dia ambarako aminareo.

Miditra an-tsehatra NY TOMPO

10Samia mihira fihiram-baovao ho an’NY TOMPO,

dia ny fiderana Azy avy any amin’ny faran’ny tany,

ianareo izay midina any amin’ny ranomasina

sy ny ao aminy rehetra,

dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy!

11Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony,

toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara!

Aoka hihoby ny mponina any Sela!

Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy.

12Aoka homena voninahitra NY TOMPO

ary hotorina any amin’ny nosy ny fiderana Azy!

13Mivoaka hiady tahaka ny lehilahy mahery NY TOMPO,

tahaka ny fanaon’ny lehilahy mpiady no amohazany ny fahasaro-piarony;

miantsoantso Izy; eny, mihiaka mafy;

mampiseho hery handreseny ny fahavalony Izy.

14Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay,

nangina ihany Aho ka nanindry fo;

fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka;

eny, miemponempona tsy avy miaina.

15Hataoko ngazana ny tendrombohitra sy ny havoana,

hataoko maina ny ahitra rehetra eo aminy,

hataoko tonga nosy ny ony,

ary hataoko tankina ny farihy.

16Hitarika ny jamba

amin’izay lalana tsy fantany Aho;

amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy.

Hataoko mazava eo anoloany ny maizina,

ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana;

izany zavatra izany dia hataoko aminy

ka tsy hilaozako izy.

17Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa

izay matoky ny sarin-javatra voasokitra,

dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe:

Ianareo no andriamanitray!

Vahoaka tsy mety mihaino

18Mihainoa ry marenina!

Mijere ry jamba mba hahita!

19Iza moa no jamba, afa-tsy ny mpanompoko?

Iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko?

Iza no jamba tahak’ilay nahita fiadanana,

ary jamba tahaka ny mpanompon’NY TOMPO?

20Mahita zavatra maro ianao

nefa tsy mitandrina;

misy nanongilana ny sofiny

nefa tsy nihaino.

21Sitraky NY TOMPO noho ny fahamarinany

ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.

22Kanefa ity dia firenena voababo sy voaroba!

Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra

ary voafina ao an-tranomaizina;

voababo izy

nefa tsy misy mamonjy!

Voasambotra izy

nefa tsy misy miteny hoe: Ampodio!

23Iza aminareo no hihaino izany?

Iza no handre dia hitandrina izany amin’ny ho avy?

24Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina,

ary Israely ho an’ny mpamabo?

Tsy NY TOMPO,

izay nanotantsika va?

Satria tsy nety nandeha tamin’ny lalany ireo

sady tsy nety nihaino ny lalànany.

25Dia narotsany tamin’Israely

ny firehitry ny fahatezerany

sy ny halozan’ny ady.

Ary nampirehitra azy manodidina izany

nefa tsy fantany;

ary nandoro azy

nefa tsy noheverin’ny fony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help