1Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra!
Manao izay ratsy sy vetaveta izy;
tsy misy manao ny tsara.
2Avy eny an-danitra NY TOMPO no miondrika mijery ny zanak’olombelona
mba hizahany raha misy olon-kendry
mitady an’Andriamanitra.
3Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa;
tsy misy manao ny tsara
na dia iray akory aza.
4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra?
Mihinana ny oloko toy ny fihinana mofo izy
no sady tsy miantso NY TOMPO.
5Indreo, tonga feno tahotra ireny,
satria Andriamanitra no eo amin’ny taranaka marina.
6Na dia foananareo aza ny fisainan’ny ory,
NY TOMPO kosa no fialofany.
7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Israely!
Rehefa ampodin’NY TOMPO avy amin’ny fahababoana ny olony
dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.