Eksodosy 36 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO.

2Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra izay nasian’NY TOMPO talenta tao an-tsainy, dia izay rehetra nohetsehin’ny fony hankeo amin’ny asa, hanatanteraka izany.

3Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.

4Dia nanatona ireo manan-talenta rehetra izay nanao ny asa manontolo ao amin’ny fitoerana masina, ary niala tamin’ny asa nataony avy

5ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO.

6Dia nandidy i Mosesy ka nandefa teny manerana ny toby hoe: Aza misy manao zavatra ho fandraisana anjara ho amin’ny fitoerana masina intsony ianareo, na lahy na vavy. Izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;

7fa ny zavatra efa nomanina dia ampy hanaovana ny asa rehetra ary nanana amby aza.

Ny fonenana masina

8Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.

9Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra.

10Ambainy dimy no navitrany ho iray; ary ambainy dimy hafa koa no navitrany ho iray hafa.

11Nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ny ambainy farany izy, dia teo amin’ny sisin’ny iray efa voavitrana koa.

12Tadivavarana dimampolo no nataony teo amin’ny ambainy iray ary tadivavarana dimampolo koa no nataony teo amin’ny sisin’ny ambainy izay amin’ny iray efa voavitrana hafa koa; ary nifandray ny tadivavarana.

13Nanao farango volamena dimampolo izy ka nakambany tamin’ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.

14Nanao ambainy tamin’ny volon’osy koa izy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ambainy no nanaovany azy.

15Ny halavan’ny ambainy iray dia telopolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy refy ny ambainy iraika amby folo.

16Navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina sisa kosa dia hakambana.

17Nanao tadivavarana dimampolo ho eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana izy; ary tadivavarana dimampolo hafa koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa efa voavitrana koa.

18Ary nanao farango varahina dimampolo izy hampikambana ny lay ho iray.

19Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny.

20Nanao ny hazofisaka akasia ho amin’ny tabernakely izy, dia tsangankazo akasia.

21Folo hakiho ny haavon’ny hazofisaka iray ary iray hakiho sy sasany ny sakan’ny hazofisaka iray.

22Lahiny roa no amin’ny hazofisaka iray ka nasiany izay hikambanany. Izany no nanaovany ny hazofisaka rehetra tamin’ny tabernakely.

23Nanao ny hazofisaka ho amin’ny tabernakely izy, hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny atsimo.

24Nanao faladia volafotsy efapolo izy ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa.

25Nanao hazofisaka roapolo ho eo amin’ny lafiny faharoa amin’ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.

26Nanao faladiany volafotsy efapolo izy, faladia roa avy ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay.

27Nanao hazofisaka enina izy ho eo amin’ny lafiny andrefana izay eo aorianan’ny tabernakely.

28Nanao hazofisaka roa izy ho eo amin’ny zoron’ny tabernakely tamin’ny lafiny ao aoriana.

29Nakambana ho iray hatrany ambany ka hatrany ambony ireo, dia hiray tsara hatrany an-tampony eo amin’ny mason-drojo tokana; nataony toy izany koa ny roa ho eo amin’ny zorony roa.

30Ary nisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy avy, izany hoe faladia enina amby folo; faladia roa avy no ho eo ambanin’ny hazofisaka tsirairay.

31Ary hazo akasia no nataony barany: Dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,

32barany dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny iray koa amin’ny tabernakely, ary barany dimy no ho amin’ny hazofisaka amin’ny lafiny andrefana izay ao aorianany.

33Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan’ny hazofisaka ka hahatratra ny farany roa.

34Ny hazofisaka dia nopetahany takelaka volamena, ary nataony volamena koa ny mason-drojo aminy, izay hitoeran’ny barany; nopetahany takelaka volamena koa ny barany.

35Ny efitra lamba dia nataony miloko manga, volomparasy, jaky ary rongony fotsy madinika voatenona; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.

36Nanamboatra andry efatra tamin’ny hazo akasia izy mba hihantonan’izany, ary nopetahany takelaka volamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; dia nandrendrika faladia volafotsy efatra izy mba hiorenany.

37Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay izy, dia tamin’ny manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.

38Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takelaka volamena ny lohany sy ny farango hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help