Salamo 31 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fahatokiana an’Andriamanitra na dia ao anatin’ny zava-tsarotra azaHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô! Ianao no ialofako.

Aoka tsy hitsanga-menatra akory aho mandrakizay!

Afaho amin’ny fahamarinanao aho!

2Atongilano amiko ny sofinao,

faingàna hanafaka ahy!

Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao

mba hamonjena ahy!

3Fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao

ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy.

4Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Ianao,

fa Ianao no fiarovana mafy ho ahy.

5Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko;

fa efa nanavotra ahy Ianao, TOMPO ô, Andriamanitry ny fahamarinana!

6Halako izay mifikitra amin’ny zava-poana mamitaka,

fa izaho dia NY TOMPO no itokiako.

7Hifaly sy hiravoravo amin’ny famindramponao aho

fa mahita ny fahantrako Ianao

ka mahafantatra ny fahorian’ny fanahiko

8ary tsy mba nanolotra ahy ho eo an-tanan’ny fahavalo

fa efa mampitoetra ny tongotro teo amin’ny malalaka Ianao.

9Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho;

simban’alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny ao anatiko rehetra.

10Lanin’alahelo ny aiko

sady lanim-pisentoana ny taonako;

tsy manan-kery aho noho ny heloko

ary efa lany ny taolako.

11Noho ny ataon’ny fahavaloko rehetra

dia efa tonga fandatsa aho na dia amin’ny mpiaramonina aza;

atahoran’ny olom-pantatro aho

ary mandositra ahy izay mahita ahy eny ivelany.

12Efa hadino any am-pon’ny olona tahaka ny olona maty aho,

tahaka ny vilany fanary.

13Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho;

eny, fampihorohoroana manodidina.

Raha miara-mioko hamely ahy izy

dia miray tetika hahafaty ny aiko.

14Nefa matoky Anao aho, TOMPO ô!

Hoy aho: Andriamanitro Ianao!

15Eo an-tananao ny androko;

vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy!

16Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao;

vonjeo amin’ny famindramponao aho!

17Aoka tsy hitsanga-menatra aho, TOMPO ô, satria miantso Anao!

Fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy

ka hangina any amin’ny fitoeran’ny maty.

18Aoka hangina ny molotra mandainga

izay miteny sahisahy manohitra ny marina

amin’ny avonavona sy ny fanamavoana!

19Akory re ny haben’ny hatsaranao

izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao,

dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona,

no ho an’izay mialoka Aminao!

20Hanafina azy ao amin’ny fierena eo anatrehanao Ianao mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy;

hampiery azy ao amin’ny tranonao Ianao mba tsy ho azon’ny lela miampanga izy.

21Isaorana anie NY TOMPO!

Fa nataony mahagaga ny famindrampony tamiko

tao an-tanàna mimanda.

22Fa hoy aho tamin’ny fahatairako:

Voafongotra tsy ho eo imasonao aho!

Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao

raha nitaraina Taminao aho.

23Tiava NY TOMPO, ry olony masina rehetra!

Miaro ny marina NY TOMPO

fa mamaly mafy ny mpiavonavona kosa Izy.

24Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,

dia ianareo rehetra izay miandry NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help