Salamo 24 - Malagasy Protestant Bible 2011

Miditra ao amin’ny tempoly NY TOMPOSalamo nataon’i Davida.

1An’NY TOMPO ny tany sy izay rehetra eo aminy,

izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy.

2Fa Izy no manorina azy eo ambonin’ny ranomasina,

eo ambonin’ny renirano no ampitoerany azy.

3Iza no hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO?

Ary iza no hijoro ao amin’ny fitoerany masina?

4Izay madio tanana sy mahitsy fo,

izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga

na mianiana hamitaka.

5Handray fitahiana avy amin’NY TOMPO izy

ary hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy.

6Izany no taranaka mitady Azy,

izay mitady ny tavanao, dia i Jakoba! Fiatoana

7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady!

Misandrata ianareo, ry varavarana fahagola,

mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!

8Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao?

NY TOMPO mahery Tsitoha,

NY TOMPO mpiady mahery.

9Asandrato ny lohanareo, ry vavahady!

Misandrata ianareo ry varavarana fahagola,

mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!

10Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao?

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! Fiatoana

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help