Jeremia 31 - Malagasy Protestant Bible 2011

Famerenana ny Israely ao amin’ny taniny

1Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ny Israely Aho ary ho oloko izy.

2Izao no lazain’NY TOMPO:

Nahita fitia any an-tany efitra ny olona

izay sisa tsy matin’ny sabatra;

mandroso ho amin’ny fitsaharana Israely.

3Avy any lavitra no nisehoan’NY TOMPO tamiko ka nitenenany hoe:

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao,

koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.

4Mbola hanorina anao indray Aho ka hiorina ianao,

ry Israely virijiny!

Mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao

ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly.

5Mbola hanao tanim-boaloboka

ao amin’ny tendrombohitr’i Samaria ianao;

ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

6Fa mbola hisy andro

hiantsoan’ny mpitazana any amin’ny tany be havoana any Efraima hoe:

Mitsangàna ianareo ka andeha isika hiakatra any Ziona,

ho any amin’NY TOMPO Andriamanitsika.

7Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Mihobia amin’ny fifaliana noho ny amin’i Jakoba,

ary mifalia noho ny amin’ny lohan’ny firenena,

torionareo, deraonareo, ka lazao hoe:

TOMPO ô, vonjeo ny olonao,

dia ny sisa amin’ny Israely.

8Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho

ary hanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany,

dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba, na ny mandringa,

na izay bevohoka, na izay mihetsi-jaza;

vahoaka marobe no hiverina atỳ.

9Amin’ny fitomaniana no hiaviany,

amin’ny fifonany no hitondrako azy;

ary hoentiko ho eny amoron’ny renirano izy,

amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy;

fa Rain’Israely Aho

ary i Efraima no lahimatoako.

Hampodina ho fifaliana ny fitomaniana

10Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Jentilisa,

ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany

ka lazao hoe: Izay nampiely ny Israely no hanangona azy indray

sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.

11Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba

ary efa nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.

12Dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoanan’i Ziona,

dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’NY TOMPO,

dia ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo,

ny zanak’ondry ary ny zanak’omby;

ary ny fiainany dia ho toy ny tanimboly vonton-drano

ka tsy halazo intsony.

13Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny

mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa;

hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany;

hampiononiko izy

ary hampifaliako ho afaka alahelo.

14Dia hovokisako zava-matavy ny mpisorona

ary ho voky ny zava-tsoako ny oloko,

hoy NY TOMPO.

Misy fanantenana ny amin’ny ho avinao

15Izao no lazain’NY TOMPO:

Nisy feo re tao Rama,

dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra;

nitomany ny zanany Rahely

ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ny zanany

satria lany ritra ireny.

16Izao no lazain’NY TOMPO:

Atsaharo ny fitomanianao

sy ny fandatsahanao ranomaso;

fa hisy valiny tokoa ny asanao,

hoy NY TOMPO,

ary hody avy any amin’ny tanin’ny fahavalo ireny.

17Ary misy fanantenana ny amin’ny ho avinao,

hoy NY TOMPO;

fa ny zanakao dia hiverina ho ao amin’ny taniny indray.

18Efa reko tokoa i Efraima nitomany ny tenany hoe:

Nofaizinao aho, eny, nofaizina

toy ny ombilahy kely tsy voafolaka;

avereno aho dia ho tafaverina,

fa Ianao no TOMPO Andriamanitro.

19Nony efa niverina tokoa aho dia vao nahalala fanenenana;

ary rehefa nampahafantarina

ny toe-tenako aho dia niteha-tratra;

menatra sady mangaihay aho

fa latsain’ny tsinin’ny fahatanorako.

20Zanako mahafinaritra va i Efraima,

zanaka malalako va izy,

no dia fatra-pahatsiaro azy Aho isaky ny miresaka ny aminy?

Noho izany dia onena azy ny foko;

hamindra fo aminy tokoa Aho,

hoy NY TOMPO.

Miverena, ry Israely

21Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangambato;

saino tsara ny lalana efa voavoatra,

dia ilay lalana efa nalehanao;

miverena indray, ry Israely virijiny,

miverena indray ho amin’ireto tanànanao ireto.

22Mandra-pahoviana no hirioriovanao,

ry zanakavavy mpikomy?

Fa NY TOMPO efa namorona zava-baovao amin’ny tany:

Ny vehivavy indray no hitady lehilahy.

Fampodiana an’ny Joda

23Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola holazaina indray ao amin’ny tanin’ny Joda sy ao amin’ny tanànany izao teny izao, rehefa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, ry fonenan’ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!

24Ary i Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ny ondry aman’osiny.

25Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

26Ary tamin’izay dia nahatsiaro aho ka nahita

ary mamy ny torimasoko.

Miambina ny fanorenana sy ny fambolena ny firenena indray Andriamanitra

27Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, ka hafafiko eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda ny taranak’olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.

28Ary toy ny niambenako azy mba hongotana sy hazera, harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy haorina sy hambolena kosa, hoy NY TOMPO.

29Amin’izany andro izany izy dia tsy hiteny intsony hoe:

Ny ray no nihinana voaloboka marikivy

ka ny nifin’ny zanany no madilo.

30Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olona rehetra; na iza na iza no homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify.

Ny fanekena vaovao

31Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy amin’ny taranak’i Joda,

32nefa tsy tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no tompony hoy NY TOMPO.

33Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.

34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Ny firindran’ny voahary sy ny famindrampon’Andriamanitra

35Izao no lazain’NY TOMPO

izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro,

izay mampilahatra ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina,

izay mampanonja ny ranomasina ka mampirohondrohona ny onjany,

ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

36Raha mitsahatra eo anoloako izany fandaminana izany,

hoy NY TOMPO,

dia hitsahatra tsy ho firenena

eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’Israely.

37Izao no lazain’NY TOMPO:

Raha misy maharefy ny lanitra ambony,

na mahafantatra ny fanorenan’ny tany ambany,

dia Izaho kosa hanary ny taranak’Israely rehetra

noho izay rehetra nataony,

hoy NY TOMPO.

Jerosalema vaovao

38Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’NY TOMPO hatramin’ny trano fiambenana any Hananela ka hatramin’ny vavahady eo an-jorony.

39Ary ny kofehy fandrefesana dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ny havoanan’i Gareba, dia hasangodina ho any Goa;

40Ary ny lohasaha fanariana faty sy lavenona rehetra ary ny saha rehetra hatramin’ny Lohasahan-driakan’i Kidrona ka hatreo amin’ny zoron’ny vavahadin-tsoavaly eo atsinanana dia ho masina ho an’NY TOMPO; tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help