Joela 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Efa akaiky ny Andron’NY TOMPO

1Tsofy ao Ziona ny anjomara!

Miantsoa mafy ao amin’ny tendrombohitro masina!

Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany!

Fa avy ny Andron’NY TOMPO,

eny, efa antomotra izany,

2dia andro maizina sy manjombona,

andro mandrahona sy maizim-pito,

toy ny fahazavan’ny maraina miely manerana ny tendrombohitra,

dia firenena lehibe sy matanjaka

ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay,

sady tsy hisy tahaka azy intsony any aorianany,

hatrany amin’ny taonan’ny taranaka fara aman-dimby.

3Misy afo mandevona eo alohany

ary misy lelafo mandoro any aorianany;

tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany

fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana,

eny, tsy misy tsy azony.

4Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny

ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.

5Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady

any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny,

eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo

mandoro mololo,

ary tahaka ny firenena mahery

voalamina hiady.

6Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena;

mivaloarika ny tarehy rehetra.

7Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy

ary mananika ny manda tahaka ny mpiady,

samy mandroso amin’izay hitsiny avy

ka tsy vaky laharana.

8Tsy mifanosika izy

fa samy mandroso amin’izay hitsiny;

ary na dia manidina aza ny lefona

dia tsy miala an-daharana izy.

9Mifamoivoy manerana ny tanàna izy,

mihazakazaka eny amin’ny manda izy,

mananika ny trano izy

ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.

10Eo alohany dia mihorohoro ny tany

ary mihozongozona ny lanitra;

tonga maizina ny masoandro sy ny volana

ary tsy mamirapiratra ny kintana.

11Ary NY TOMPO mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany;

fa lehibe indrindra ny tobiny

ary mahery izay manatanteraka ny teniny;

fa lehibe ny Andron’NY TOMPO

sady mahatahotra indrindra,

koa iza no mahatanty izany?

Izao no fotoana hiverenana amin’NY TOMPO

12Koa na dia ankehitriny aza,

hoy NY TOMPO,

dia miverena Amiko amin’ny fonareo manontolo,

amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.

13Ny fonareo no triatriaro fa aza ny fitafianareo,

dia miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrareo;

fa mamindra fo sy miantra Izy,

mahari-po sady be famindrampo

ary manenina ny amin’ny loza.

14Iza no mahalala raha mba hanenina ihany Izy

ka hamela fitahiana ao aorianany,

dia fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo?

15Tsofy ao Ziona ny anjomara!

Manamasìna andro fifadian-kanina!

Miantsoa fivoriana masina!

16Angony ny vahoaka!

Manamasìna ny fiangonana!

Vorio ny zokiolona,

angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono;

aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony,

ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

17Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara

no aoka hitomanian’ny mpisorona,

mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO

ka hilazany hoe: Iantrao ny olonao, RY TOMPO ô,

ary aza avela ho latsa ny lovanao

ka hotapahin’ny Jentilisa;

fa nahoana no hataon’ny any amin’ny firenena hoe:

Aiza izay Andriamaniny?

Ny tenin’Andriamanitra tamin’ny vahoakany

18NY TOMPO dia saro-piaro amin’ny taniny

sady miantra ny olony.

19Eny, NY TOMPO niteny tamin’ny olony hoe:

Indro, handefa varimbazaha sy ranom-boaloboka ary diloilo vaovao ho anareo Aho

ka ho vokin’izany ianareo;

ary tsy havelako ho latsa any amin’ny Jentilisa intsony ianareo.

20Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo

ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sady foana;

ho any amin’ny ranomasina atsinanana ny lohalalany,

ary ho any amin’ny ranomasina andrefana ny vodilalany;

hiakatra ny hamaimboany,

ary hisondrotra ny fofon-dratsiny

fa efa nanao zava-dehibe izy.

21Aza matahotra, ry tany fambolena,

mifalia sy miravoravoa

fa manao zava-dehibe NY TOMPO.

22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,

fa mihamaitso ny kijana any an-tany efitra,

mamoa ny hazo

ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.

23Ary ianareo, ry zanak’i Ziona, dia miravoravoa

sy mifalia amin’NY TOMPO Andriamanitrareo;

fa hanome anareo ny lohaorana amin’ny fotoanany Izy

ary handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo,

dia ny lohaorana sy ny faraorana toy ny taloha.

24Dia ho feno vary ny famoloana

ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.

25Ary honerako ho anareo ireo taona nohanin’ny valala,

dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.

26Hihinana ianareo ka ho voky,

ary hidera ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrareo

fa mahagaga ny fitondrany anareo;

ary tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay.

27Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ny Israely Aho,

ary Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa;

tsy ho menatra intsony ny oloko mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help