Isaia 25 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fialofan’ny reraka NY TOMPO

1TOMPO ô, Andriamanitro Ianao;

hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho,

fa nahavita zava-mahagaga Ianao,

zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady azo antoka no mafy orina.

2Fa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna;

ilay tanàna mimanda dia tena rava tanteraka;

ny lapan’ny hafa firenena dia tsy hita tao an-tanàna intsony;

tsy hatsangana mandrakizay intsony ireo.

3Noho izany dia hankalaza Anao ny firenena matanjaka,

hatahotra Anao ny tanànan’ny firenena mpampihorohoro.

4Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Ianao;

eny, fiarovana mafy ho an’ny mahantra ao amin’ny fahoriany,

fialofana amin’ny oram-batravatra,

alokaloka amin’ny hainandro;

fa ny fahatezeran’ny mpampihorohoro

dia tahaka ny orana mivatravatra mamely ny rindrina.

5Tahaka ny fandresenao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina

no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa;

eny, tahaka ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina

no andresena ny fanakoran’ny mpampihorohoro.

Fanasana lehibe ho an’ny firenena rehetra

6Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity;

fanasana amin’ny hena matavy,

fanasana amin’ny divay efa niotrika ela,

hena matavy, be tsoka,

divay efa niotrika ela, voadio tsara.

7Eto amin’ity tendrombohitra ity

no hanafoanany ny sarona izay manakona ny olona rehetra

sy ny rakotra izay mandrakotra ny firenena rehetra;

8hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana;

NY TOMPO Andriamanitra no hamafa

ny ranomaso amin’ny tava rehetra

sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra

ny fahafaham-baraka amin’ny olony.

NY TOMPO no niteny.

Fanalam-baraka an’i Moaba

9Holazaina amin’izany andro izany hoe:

Indro Andriamanitsika

izay nantenaintsika hamonjy antsika.

Indro NY TOMPO izay nandrasantsika,

koa aoka isika hifaly

sady hiravoravo amin’ny famonjeny!

10Fa mipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’NY TOMPO;

ary hohosihosena ao amin’izay misy azy i Moaba,

tahaka ny fanosihosy ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra;

11hamelatra ny tanany ao anatin’izany izy,

tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano;

fa NY TOMPO kosa mampietry ny fiavonavonany

sy ny fahamailamailaky ny tanany.

12Harodany sy haetriny ny mandanao mafy sy avo

ka hataony mikasika amin’ny tany sy mihosom-bovoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help