1 Haleloia.
Miderà, ianareo mpanompon’NY TOMPO,
miderà ny anaran’NY TOMPO.
2Isaorana anie ny anaran’NY TOMPO
hatramin’izao ka ho mandrakizay.
3Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany
dia hoderaina anie ny anaran’NY TOMPO.
4Avo ambonin’ny firenena rehetra NY TOMPO;
ambonin’ny lanitra ny voninahiny.
5Iza no tahaka NY TOMPO Andriamanitsika
izay mipetraka any amin’ny avo
6nefa miondrika mijery
ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy
ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika
8mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka,
dia ny mpanapaka eo amin’ny olony.
9Mampitoetra an-trano ny momba Izy
fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly.
Haleloia.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.