1Vonjeo amin’ny anaranao aho, Andriamanitra ô,
ary omeo rariny aho araka ny herinao!
2Andriamanitra ô, henoy ny vavaka ataoko!
Atongilano hihaino ny tenin’ny vavako ny sofinao!
3Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy
ary mpampihorohoro no mitady ny aiko;
tsy mihevitra an’Andriamanitra ho eo anatrehany izy. Fiatoana.
4Indro Andriamanitra no Mpamonjy ahy,
ny Tompo no Mpanohana ahy.
5Hamaly ny ratsy ataon’ny mpampahory ahy Izy;
aoka ny fahamarinanao no handringananao azy!
6An-tsitrapo no hanolorako fanatitra ho Anao;
hidera ny anaranao aho, TOMPO ô, fa tsara Ianao.
7Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ny fahoriana rehetra Ianao
ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ny fahavaloko.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.