1Tantara INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy Boky 1, 2Tantara dia soratra iray ihany no nizara ho boky roa, nosoratan’antokon’olona izay heverina ho mpisorona na levita; izy ireo koa no nanoratra ny Boky Ezra sy Nehemia. Ny anarana hoe Tantara dia avy amin’ny Baiboly hebreo, ary noho io anarana io dia nomena anarana hoe ny Kronista, na ny Mpitantara, ireo mpanoratra.Ny votoatin’ny BokyNy 1, 2Tantara dia nosoratana ho toy ny tantara mitohy manomboka amin’i Adama ka hatramin’ny fahababoana. Tsy ho famerenana ny efa voalaza fotsiny anefa izany tantara izany fa misy hafatra kendrena hampitaina, dia ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra: Andriamanitra no tena Mpanjaka, fa ny mpanjakan’ny Israely dia fiasana hampisehoana izany fanjakan’Andriamanitra izany eo amin’ny lafim-piainana rehetra. Amin’izany dia i Davida no aseho ho ny mpanjaka modely indrindra. Aseho fa izy no nahazo an’i Jerosalema teo ampelatanan’ny Jentilisa ka i Jerosalema no ho tanàna masina hanorenana ny tempoly. Koa i Davida no mpandrindra ny fiainam-pivavahana sy ny fiainam-pirenen’ny Israely manontolo.Tsy ny tantarany manontolo anefa no hita ao. Navelan’ny mpanoratra ireo zavatra sarotra nitranga tamin’ny fiainan’i Davida, fa izay aseho dia izy mpanjaka voafidin’Andriamanitra ka haharitra mandrakizay ny taranany, ary indrindra koa ny nanomanany ny fananganana ny tempoly sy ny nandaminany mialoha ny fanompoana hatao ao.Ny firafitry ny BokyTetiarana, hatramin’i Adama ka hatramin’i Davida: 1–9Ny nanjakan’i Davida: 10–29
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help