Salamo 125 - Malagasy Protestant Bible 2011

Izay matoky NY TOMPOHira fanao amin’ny fiakarana.

1Izay matoky NY TOMPO

dia tahaka ny tendrombohitra Ziona

izay tsy mihetsika fa mitoetra mandrakizay.

2Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema

no anodidinan’NY TOMPO ny olony

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

3Fa tsy hitoetra eo amin’ny anjaran’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,

fandrao hanainga ny tanany hanendry zava-dratsy ny marina.

4TOMPO ô, manaova soa amin’ny tsara

sy ny mahitsy fo.

5Fa izay mivily ho amin’ny sakeli-dalana mivilivily

dia horoahin’NY TOMPO

miaraka amin’ny mpanao ratsy!

Fiadanana anie ho amin’ny Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help