Habakoka INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy fotoana niasan’ny Mpaminany dia teo anelanelan’ny nisandratan’ny Babiloniana izay avy nandresy an’i Asiria sy i Ejipta (612–605 tal JK), sy ny fanafihana an’i Jerosalema (597 tal JK). Fotoana mampangitakitaka ho an’ny Israely tokoa izany satria ny Babiloniana dia efa mandroso amim-pireharehana haka ny tany rehetra.Ny votoatin’ny BokyMahatsiaro mijaly ny Mpaminany noho ny fahitany ny fahoriana manjo ny firenena sy ny fahotana ataony. Mitaraina amin’Andriamanitra izy noho izany ary mifaly rehefa mahazo valiny avy Aminy.Ny valinteny avy amin’Andriamanitra dia manambara fa ny hahavelona dia ny finoana na ny fiankinana Aminy ary ny fiandrasana ny famonjeny amin’ny fanantenana.Ny firafitry ny BokyFitarainan’ny Mpaminany noho ny fahitany fa toa ambinina ny ratsy fanahy: 1.1-17Ny valintenin’NY TOMPO: 2.1-20Salamo fiderana nataon’i Habakoka: 3.1-19
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help