Jakoba INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYVoalaza eo am-piandohana fa taratasy nosoratana ho an’ny firenena roa amby folo monina any am-pielezana ity epistily ity. Sary ilazana ny Fiangonana kristiana izay vahiny eto amin’izao tontolo izao izany. Ny fiteny grika ampiasaina ato sy ny fomba fanoratra dia mahatonga ny mpandinika rehetra hihevitra fa ireto nanoratana ny Epistily ireto dia Jiosy niova ho Kristiana nefa mbola manana fifandraisana amin’ny sinagoga sady nobeazina tamin’ny kolontsaina grika.I Jakoba, rahalahin’ny Tompo, ilay ambaran’i Paoly fa anisan’ny andry teo amin’ny Fiangonana voalohany tany Jerosalema (Gal 1.19; 2.9) no heverina fa nanoratra ity epistily ity.Ny votoatin’ny EpistilyFampianarana sy dinika mahakasika ny fiainana andavanandro sy ny fitondrantena mahamendrika ny Kristiana no ampahafantarina ato amin’ity epistily ity, ary misy ifandraisany akaiky amin’ny voalazan’i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra izany. Ny finoana aseho amin’ny asa: Izay no isan’ny mampalaza ity epistily ity. Asiany teny amin’izany ny maha zava-dehibe ny teny aloaky ny vava, ny fahendrena vokatry ny maha mpivavaka, ny amin’ny mpanankarena sy ny mahantra, ary ny maha izy azy ny fiarahamonin’ny mpivavaka.Ny firafitry ny EpistilyNy fizahan-toetra ny finoana: 1.12-18Ny lojikan’ny finoana sy ny lojikan’izao tontolo izao: 1.19–2.26Ny fahendrena azo amin’ny finoana aseho amin’ny teny sy amin’ny asa: 3.1–4.12Ny mpanankarena sy ny fanaony: 4.13–5.6Ny faharetana sy ny fiombonana noho ny finoana: 5.7-20