Salamo 21 - Malagasy Protestant Bible 2011

Afaka mitoky amin’NY TOMPO ny mpanjakaHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka.

Endre ny haben’ny firavoravoany amin’ny famonjenao!

2Nomenao azy izay nirin’ny fony

ary tsy mba nolavinao izay nangatahin’ny molony. Fiatoana

3Fa notsenainao tamin’ny fitahiana soa izy;

nasianao satroboninahitra volamena tsy miharo teo an-dohany.

4Aina no nangatahiny Taminao dia nomenao azy izany,

dia andro lava mandrakizay doria.

5Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny;

laza sy voninahitra no nataonao taminy.

6Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy

ary ampifalinao indrindra amin’ny fanatrehanao.

7Fa matoky NY TOMPO ny mpanjaka

ary noho ny famindrampon’ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.

8Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra;

eny, ho azon’ny tananao ankavanana izay mankahala anao.

9Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy

amin’ny andro hisehoanao.

NY TOMPO handany azy amin’ny fahatezerany

ary handevona azy ny afo.

10Haringanao tsy ho eo amin’ny tany ny zanany

ary tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany.

11Fa nikasa hanisy ratsy anao izy

sady namoron-kevi-dratsy nefa tsy hahefa

12fa hampiamboho azy ianao;

ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.

13Misandrata amin’ny herinao Ianao, TOMPO ô!

Hihira sy hankalaza ny herinao amin’ny salamo izahay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help