Joda Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana Ny taratasy avy amin’i Joda dia tsy ho ana Fiangonana anankiray fa ho an’ny kristianina ankapobeny. Ny hafatra ampitainy dia mitovitovy amin’izay hita ao amin’ny taratasy faharoa avy amin’i Petera (jereo 2 Pt 2): samy toherin’ny taratasy roa tonta ireo olona sady mampiely fampianaran-diso mamoafady no mampiseho fitondrantena ratsy.

Vao vita ny sasin-teny (1-2) dia toherin’ny mpanoratra mafy ireo mpampiely fampianaran-diso, indrindra ireo tafasisika ao anatin’ny Fiangonana, ary ambarany rahateo ny fanamelohana hampiharin’Andriamanitra amin’izy rehetra (3-16). Manainga ireo mpino kosa ny mpanoratra mba hiorina mafy amin’ny finoana (17-23); ka ny teny entiny mamarana ny taratasiny dia fiderana «an’ilay Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy» (24-25).

Potsipotsirin’ity taratasy ity ny mahazava-doza ilay hery ratsy mpandainga sy mpamitaka; kanefa vao mainka marihiny fa isika kristianina dia ampian’Andriamanitra sy omeny fanantenana azo antoka ao amin’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina (20-21).

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help