1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Asafa.
2Manaova hobim-pifaliana
ho an’Andriamanitra herintsika,
ankalazao ny Andriamanitr’i Jakôba.
3Ingao ny hira, velezo ny amponga,
tendreo ny lokanga tsara feo mbamin’ny valiha.
4Amin’ny tsinam-bolana sy volam-penomanana,
tsofy ny trômpetra ho an’ny andro fetintsika,
5satria lalàna ho an’ny Israelita izany,
didin’ny Andriamanitr’i Jakôba,
6fitsipika nataony ho an’ny taranak’i Jôsefa
fony Izy namely an’i Ejipta.
–Feo tsy fantatro no reko nanao hoe:
7«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana;
ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.
8Fony noporetina ianareo,
dia niantso Ahy ka nafahako;
novaliako tao anaty kotrokorana ianareo
ary nozahako toetra teo amin’ny ranon’i Meribà.
Fiatoana
9Ry vahoakako, mihainoa fa mampitandrina Aho;
satriko hihaino Ahy ianareo, ry Israelita:
10Aoka tsy hisy andriamani-kafa eo aminareo,
aoka ny andriamanitra vahiny tsy hivavahanareo,
11satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo
Izay nampiakatra anareo hiala tany Ejipta!
Atanatanao ny vavanareo, dia hofenoiko.»
12Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy,
ny Israelita tsy nila Ahy,
13koa navelako izy hizotra amin’ny ditran’ny fony
sy hanaraka izay tiany hatao.
14Raha mba nihaino Ahy ny vahoakako,
raha mba nanaraka ny torolalako ny Israelita,
15dia ho nampietreko faingana ireo fahavalony
ary ho nofaiziko ireo mpampahory azy.
16Izay mpankahala ny TOMPO ho nikoy tamiko;
ny famaizany azy ho naharitra mandrakizay.
17Ny Israelita kosa ho nofahanany vary tsara indrindra
ary ho novokisany tantely avy amin’ny vatolampy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.