1Tamin’izay no taona nanirahan’i Sargôna mpanjakan’i Asiria ilay jeneralin’ny tafiny hanafika an’i Asdôda; dia namely ny tanàna izy ka nahazo azy.
2Telo taona talohan’izany kosa dia nampitondra teny an’i Isaià zanakalahin’i Amôtsa ny TOMPO hoe: «Mandehana, vahao ny lamba gony eny an-tsikinanao ary esory ny kapa eny an-tongotrao.»
Dia nataon’i Isaià izany, ka nandeha tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro izy.
3Ary io taona nahazoan’ny Asirianina an’i Asdôda io, no nilazan’ny TOMPO taminy hoe: «Efa ho telo taona izao no nandehandehanan’i Isaià mpanompoko, tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro, mba ho famantarana sy marika ny amin’ny hamelezana an’i Ejipta sy i Etiôpia.
4Fa tahaka izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asiria ny Ejiptianina ho sambo-belona sy ny Etiôpianina ho babo na antitra na tanora. Handeha tsy mitafy sy tsy mikiraro koa izy ireo. Mitanjaka ny feny ka henatra moa izao ny an’ny Ejiptianina!
5Dia ho kivy sy ho diso fanantenana ireo Israelita ireo, izay nanantena an’i Etiôpia na nihambo tamin’ny fanampian’i Ejipta.»
6Amin’izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: «Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan’i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.