Salamo 105 - Malagasy Bible

SALAMO Mitana ny teny nataony Andriamanitra

1Miderà ny TOMPO ianareo:

ataovy antso avo ny lazany,

ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe.

2Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno;

tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.

3Ireharehao ny anarany masina;

ianareo mitady ny TOMPO, aoka ho ravo ny fonareo!

4Katsaho ny TOMPO mahery,

tadiavo lalandava ny fanatrehany.

5Tsarovy ny asa mahagaga nataony,

dia ny zava-mahatalanjona vitany

sy ny didim-pitsarana navoakany,

6ry taranak’i Abrahama mpanompony

sady terak’i Jakôba voafidiny.

7Izy no TOMPO Andriamanitsika;

manerana ny tany tontolo ny fanapahany.

8Tsaroany hatrany ny fanekempihavanany,

dia ny fampanantenana izay napetrany

ho an’ny taranaka arivo mifandimby:

9 fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama

sy fianianana nataony tamin’i Itsehàka.

10Naoriny ho zo raikitra ho an’i Jakôba izany

ka ho fanekempihavanana mandrakizay

ho an’ny taranak’i Israely,

11fony Andriamanitra nilaza hoe:

«Homeko anao ny tany Kanahàna

ho anjara lova ho anao sy ny taranakao.»

12Tamin’izay izy ireo mbola mora isaina,

mpifindra monina vitsy kely teo amin’ny tany.

13Nivezivezy nitety firenena maro izy,

ka niala tamin’ny fanjakana iray

hankany amin’ny vahoaka hafa.

14Nefa tsy nisy navelan’Andriamanitra hampahory azy

fa nampitandrina mpanjaka Izy noho ny amin’ireo hoe:

15«Aza kasihina ireo voahosotro

ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro.»

16Niantso mosary ho amin’ny tany Izy

ka nanafoana ny sakafo rehetra.

17Nefa naniraka olona hialoha an’ireo Izy,

dia i Jôsefa izay namidy handevozina.

18Nogiazana tady ny tongony

ary norohizana rojo vy ny vozony,

19mandra-pahatanterahan’ny zavatra nambarany;

ny tenin’ny TOMPO no naneho azy ho tsy manan-tsiny!

20Nanome baiko hamahàna azy ny mpanjaka;

eny, nampanafaka azy ny mpifehy vahoaka.

21Notendreny ho lehiben’ny fitondram-panjakana izy

sy ho mpanapaka ny taniny manontolo,

22mba hisarika ny andriambaventy hanaraka ny heviny

sy hanolo-pahendrena an’ireo loholom-bahoaka.

23Taorian’izany, dia tonga tany Ejipta

i Jakôba mianakavy

ary nifindra monina tao amin’ny tanin’i Hama.

24Nohamaroin’Andriamanitra tokoa ny vahoakany

ary nataony mahery noho ny mpampahory azy.

25Ny fon’ireo Ejiptianina novany hankahala ny vahoakany

sy hanao kendry tohina amin’ireo mpanompony.

26Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony

sy i Aharôna ilay voafidiny:

27Izy roa lahy no naneho teo amin’ny Ejiptianina

ireo famantarana nambaran’ny Tompo mialoha

ary nahavita zava-mahagaga

teo amin’ny tanin’i Hama.

28Dia nahatonga haizim-pito Andriamanitra

ka nanjary maizina izany tany izany

ary tsy nisy nahatohitra ny teniny.

29Novany ho ra ny oniny

ka maty avokoa ny trondrony;

30nataony feno sahona ny tanin’ny Ejiptianina

hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjakany.

31Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka

nihanaka tamin’ny faritany manontolo.

32Havandra no narotsany ho solon’ny orana

ary koa varatra izay nandoro ny tanetiny.

33Nosimbany ny voalobony sy ny aviaviny

ary nopotehiny ny hazo tamin’ny faritaniny.

34Niteny Izy, dia tonga ny valala

sy ny kijeja tsy hita isa

35ka nihinana ny ahitra rehetra an-tanety

sy nihinana ny vokatr’ireo tanimboliny.

36Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa

ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io,

dia ireo santatry ny hery

tamin’ny ankohonana ejiptianina.

37Fa navoakany kosa ilay vahoakany

nombàn’ny volafotsy sy volamena;

ka tsy nisy tamin’ireo fokony

izay hoe narisarisa na iray aza.

38Ravoravo ny Ejiptianina rehefa niala ny Israelita,

satria efa nianjadian’ny tahotra azy loatra.

39Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona

hanalokaloka ny vahoakany,

ary najorony koa ny afo

hanazava azy nony alina.

40Nangataka ireo, dia nandefasany papelika;

ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.

41Nosokafany ny vatolampy, dia nigororoana ny rano

ka zary renirano nizotra teny an-tany hay.

42Eny, tsaroan’Andriamanitra ny teniny masina

nataony tamin’i Abrahama mpanompony.

43Dia navoakany ny vahoaka voafidiny,

ka niravo sy nanao horakora-pifaliana;

44nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena

ka izay nisasaran’izy ireny no lasany,

45mba hitandremany ny didiny

sy hankatoavany ny Lalàny.

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help