1Nony tonga ny volana fahafito, ireo Israelita rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin’ny tanànany avy, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray ihany.
2Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.
3Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin’ny Israelita teo amin’ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.
4Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro.
5Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.
6Amin’izao andro voalohan’ny volana fahafito izao ny Israelita no nanomboka nanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, na dia mbola tsy nalatsaka akory aza ny fototr’ilay tempolin’ny TOMPO.
7Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.
8Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;
9ary niray hina nijoro ho tonian’ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak’i Hôdavià mbamin’ny taranany avy, ireo zanakalahin’i Henadada mbamin’ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.
10Nony nandatsaka ny fototr’ilay tempolin’ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra ary koa ny levita terak’i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian’i Davida mpanjakan’i Israely.
11Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.
12Maro ny mpisorona sy ny levita ary ny loham-pianakaviana, dia ireo antitra efa nahita ilay trano taloha, no nitomany mafy dia mafy nony nalatsaka teo imasony ny fototr’izany trano vaovao izany; nefa maro koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly.
13Ka dia tsy hay navahany ny hobin-kafalian’ny andaniny sy ny feo fitomanian’ny ankilany, satria samy nanao horakoraka mafy sy re lavitra tokoa ny olona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.