Ezekiela 6 - Malagasy Bible

Famelezana ny mpivavaka amin’ny sampy

1Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2«Ry ilay taranak’olombelona, atodiho eny amin’ireo tendrombohitr’i Israely ny fijerinao ka ijoroy ny maha-mpaminany anao hamelezako an’ireo mponina eny.

3Aoka hihaino ny teniko izy! Fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no milaza amin’ny mponina eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny amin’ny hadin-driaka sy ny lohasaha hoe: «Indro hahatonga ady hamelezana anareo Aho mba handravana ny toeram-panasinanareo.

4Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo ianareo.

5Eny, hatsitrako eo anoloan’ny sarivongan-tsampiny ny fatin’ny Israelita ary haparitako manodidina ny alitarany ny taolany.

6Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.

7Ho faty miampatrampatra ny ankamaroanareo; ka hiaiky amin’izay ianareo fa Izaho no Tompo.

8Nefa hitazonako sisa tavela ihany aminareo, dia ireo afaka tamin’ny ady teo anivon’ny hafa firenena rehefa voaely ho any an-tany hafa ianareo.

9Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.

10Hiaiky izy fa Izaho no TOMPO; ary tsy niteny foana Aho fa nampihatra taminy tokoa ny loza izay nandrahonako azy.»

11Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Mitehafa tanana ianao, ary migadogadòna tongotra ka milazà hoe: ‹Vita toa ny amin’ny fomba rehetra maharikoriko sy mahatsiravina nataon’ny Israelita›. Fa haringana amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy;

12izay any lavitra ho fatin’ny areti-mandringana, ny etỳ akaiky ho fatin’ny ady ary izay sisa velona tamin’ny fahirano ho faty mosary. Hampariko aminy ny fahatezerako.

13Hiampatrampatra eny anivon’ireo sampiny sy manodidina ny alitarany ny fatiny, eny an-tampon’ny tendrombohitra sy ny havoana, eny ambanin’ny hazo maitso sy matevina, dia eny amin’ny toerana rehetra nanolorany sorona ho an’ny sampiny. Amin’izay dia hoekeny izy fa Izaho no TOMPO.

14Hampiseho ny heriko Aho hamelezana azy. Hosimbako ny taniny ka hataoko lao tsy misy mponina intsony ny toerana rehetra nonenany manomboka eo amin’ny taniefitra atsimo ka hatrany amin’ny tanàna Riblà any avaratra. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help