1Namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, raha nitoby akaikin’ny loharano iray tao Jizrehèla kosa ny Israelita.
2Nilahatra teo alohan’ny andian-tafiny ireo filohan’ny Filistinina; fa i Davida sy ireo olony kosa dia tatỳ aoriana no nilahatra niaraka tamin’i Akisy.
3Dia hoy ireo filohan’ny Filistinina:
–Inona no ataon’ireo Hebreo ireo eto?
Ka hoy i Akisy namaly ireo filohan’ny Filistinina:
–I Davida mpanompon’i Saoly mpanjakan’i Israely io, saingy efa niaraka tamiko aman-taonany izy izao. Ary tsy mbola hitako izay tsininy hatramin’izay nialany tany ka nifindrany tatỳ izay.
4Tezitra tamin’i Akisy ireo filohan’ny Filistinina ka nanao taminy hoe:
–Roahy any io lehilahy io hiverina any amin’ny tanàna izay efa nomenao hitoerany. Aza avela hidina hiara-kiady amintsika izy, fandrao dia isika indray no hifoterany rehefa miady. Fa inona moa no hahazoany sitraka amin’i Saoly tompony, raha tsy ny fanolorany azy ny lohan’ireo olontsika?
5Moa tsy io Davida io ve ilay nihirana sy nandihizana hoe:
«I Saoly nahafaty an’arivoarivo,
fa i Davida kosa nahafaty an’alinalina.»
6Dia niantso an’i Davida i Akisy ary nanao taminy hoe:
–Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa olona mahatoky ianao; tiako ny hiarahanao amiko amin’izao ady izao, satria tsy mbola hitako izay tsininao hatramin’izay nahatongavanao teto amiko izay. Kanefa tsy mahazoazo anao ireo filohan’ny Filistinina ireo.
7Koa mandehana miverina mody am-piadanana mba tsy hanaovanao izay tsy mahafaly ireo filohan’ny Filistinina.
8Hoy kosa i Davida tamin’i Akisy:
–Fa inona no nataoko, ry mpanjaka tompoko, ary inona no tsiny hitanao tamiko mpanomponao hatramin’izay nipetrahako tatỳ aminao ka mandraka androany izay, no tsy mahazo mandeha miady amin’ny fahavalonao aho?
9Dia hoy i Akisy namaly an’i Davida:
–Tsy misy. Fa mahafinaritra ahy tahaka ny anjelin’Andriamanitra ianao. Saingy ireo filohan’ny Filistinina no nanao hoe: «Aoka izy tsy hiaraka hiady amintsika!»
10Koa mifohaza maraina be ianao sy ireo mpanompo izay niara-dia taminao; samia mifoha maraina ianareo, ary mandehana rehefa mazava ny andro.
11Dia nifoha maraina be i Davida sy ny olony ny ampitso mba hiverina any amin’ny tanin’ny Filistinina. Ary ny Filistinina kosa niakatra any Jizrehèla.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.