Genesỳ 33 - Malagasy Bible

Ny nihaonan’i Jakôba tamin’i Hesao

1Ary nitazana i Jakôba ka nahita an’i Hesao tamy miaraka amin’ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin’i Leà sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.

2Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Leà sy ireo zanany, ary tatỳ afara i Rahely sy i Jôsefa.

3I Jakôba kosa no nandeha teo alohan’izy rehetra. Niankohoka impito tamin’ny tany i Jakôba mandra-pahatongany teo amin’i Hesao rahalahiny.

4Dia nihazakazaka nitsena azy i Hesao, ka namihina ny vozony sady nanoroka azy; ary niara-nitomany izy mirahalahy.

5Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe:

–Ary iza ireto miaraka aminao ireto?

Hoy kosa i Jakôba hoe:

–Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany.

6Dia nanatona ireo mpanompovavy sy ny zanany ka niankohoka.

7Nanatona ihany koa i Leà sy ny zanany ka niankohoka; ary farany dia nanatona koa i Jôsefa sy i Rahely ka niankohoka.

8Ary nanontany i Hesao hoe:

–Inona moa no anton’ny nandefasanao ireny fanomezana rehetra izay nifanena tamiko ireny?

Ka hoy i Jakôba hoe:

–Mba handraisanao ahy tsara, tompokolahy.

9Fa hoy i Hesao hoe:

–Manambe aho, ry rahalahy; aoka ho anao ihany ny anao!

10Dia novalian’i Jakôba hoe:

–Aza manao izany re ianao, fa raha mba sitrakao ihany aho, dia raiso ny fanomezana natolotro anao. Fa raha nahita tava anao aho teo, dia hoatry ny nahita ny tavan’Andriamanitra, noho ianao tsara fandray ahy.

11Koa miangavy aho, raiso ny fanomezana izay nampitondraiko ho anao satria efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny ilaiko rehetra aho.

Niangavy azy mafy i Jakôba, ka dia noraisiny ihany ny fanomezana.

12Ary hoy i Hesao hoe:

–Ahorony ny entana, dia andeha isika hanainga fa hiaraka aminao aho.

13Namaly kosa i Jakôba hoe:

–Fantatrao, tompokolahy, fa marefo ny zaza, ary ondry aman’omby ampianahany no miaraka amiko; koa raha hododosana indray andro monja ireo biby ireo, dia ho faty avokoa izy.

14Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian’ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira.

15Dia hoy i Hesao:

–Havelako aminao ireo oloko sasany miaraka amiko.

Fa hoy i Jakôba hoe:

–Hatao inona moa izany? Fa ampy ahy rehefa nataonao tsara fandray aho, tompokolahy.

16Koa dia niverina androtr’iny ihany i Hesao ho any Sehira.

17Fa i Jakôba kosa nivily ho any Sokôta, dia nanao trano ho azy sy tranotomboka ho an’ny andiam-biby fiompiny. Izany no niantsoana io toerana io hoe Sokôta, izany hoe Tranotomboka.

Nipetraka tao akaikin’i Sekema i Jakôba

18Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema izay eo amin’ny tany Kanahàna; dia nitoby teo akaikin’ny tanàna izy.

19Novidîny vola zato kesita tamin’ny taranak’i Hamôra, mpanorina ny tanàna Sekema, ny sombin-tany teo amin’ny saha izay nanorenany ny lainy.

20Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help