Salamo 148 - Malagasy Bible

SALAMO Deraina any an-danitra sy etỳ an-tany Andriamanitra

1 Haleloià!

Miderà ny TOMPO ianareo any an-danitra any;

eny, miderà Azy ianareo any ambony any.

2Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;

miderà Azy, ry tafiny tontolo.

3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;

miderà Azy, ry kinta-mazava rehetra.

4Miderà Azy, ry lanitra faratampony

mbaminareo rano any ambonin’ny habakabaka.

5Aoka ireo samy hidera ny anaran’ny TOMPO,

satria Izy no nandidy, dia ary ireo

6sady nataony maharitra mandrakizay

sy nomeny lalàna tsy azo dikaina!

7Miderà ny TOMPO ianareo eto an-tany;

miderà Azy, ry dragona sy rano lalimbe rehetra,

8ry afo sy havandra, ry orampanala sy zavona,

ry rivotra mahery izay mpankatò ny teniny;

9miderà Azy, ry tendrombohitra sy havoana rehetra,

ry hazo mamoa sy sedera rehetra,

10ry bibidia sy biby fiompy rehetra,

ry biby mandady sy voro-manidina.

11Miderà Azy, ry mpanjakan’ny tany sy ry vahoaka rehetra,

ry mpitondra sy mpifehy rehetra eran-tany,

12ry tovolahy sy tovovavy,

ry zokiolona ombàn’ny ankizy.

13Aoka ianareo samy hidera ny Tompo,

satria ny anarany irery no avo indrindra:

ambonin’ny tany aman-danitra ny fiandrianany.

14Nataony mitraka sy mahery ny vahoakany;

ka midera ny TOMPO ireo mpivavaka aminy,

dia ireo Israelita vahoaka lalainy.

Haleloià!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help