Salamo 118 - Malagasy Bible

SALAMO Hovisavisaiko ny nataon’ny Tompo

1Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:

–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

2Aoka ny Israelita hilaza hoe:

–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

3Aoka ny taranak’i Aharôna

hilaza hoe:

–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

4Aoka ireo mpanaja ny TOMPO hilaza hoe:

–eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

5Tao an-katerena aho no niantso ny TOMPO,

ka novaliany aho, nomeny halalahana.

6Miandany amiko IZY ka tsy hatahotra aho;

hahavita inona amiko ny olombelona?

7Miandany amiko ny TOMPO ka manampy ahy;

ireo mpankahala ahy hitako fa resiny.

8Aleo mialoka amin’ny TOMPO

toy izay mialoka amin’ny olombelona;

9aleo mitoky amin’ny TOMPO

toy izay mitoky amin’ny mpifehy.

10Nanodidina ahy avokoa ireo hafa firenena,

fa ny anaran’ny TOMPO no nandringanako azy.

11Nitangorona tamiko ireo, indray nanarona ahy,

fa ny anaran’ny TOMPO no nandringanako azy.

12Nanodidina ahy toa renitantely ireo,

kanjo nalaky maty toy ny afo-mololo,

fa ny anaran’ny TOMPO no nandringanako azy.

13Natosik’ireo aho mba ho lavo,

fa ny TOMPO no nanampy ahy.

14Ny TOMPO no heriko sy reharehako,

satria Izy no mampandresy ahy.

15Feo fihobiana sy horakora-pandresena

no ao an-dain’ny olona afaka:

«Naneho hery ny tanan’ny TOMPO,

16nanandratra anay ny tanan’ny TOMPO,

naneho hery ny tanan’ny TOMPO.»

17Tsy ho faty aho fa ho velona

mba hitanisa ny asan’ny TOMPO.

18Nofaizin’ny TOMPO tokoa aho,

kanefa tsy nafoiny ho faty.

19Vohay ny vavahady fidiran’ny olo-marina

mba hidirako hidera ny TOMPO.

20Ity no vavahady mankao amin’ny TOMPO;

ny olo-marina no aoka hiditra eo!

21Hidera Anao aho, Tompo ô, fa novalianao

ary Ianao no nahazoako fandresena.

22Ny vato nolavin’ny mpanao trano

no efa tonga vatofehizoro.

23Avy amin’ny TOMPO izany

ka mahagaga eo imasontsika.

24Ity no andro nataon’ny TOMPO

mba hifaliantsika sy hiravoantsika.

25Miangavy re, TOMPO ô, omeo fandresena izahay;

miangavy re, TOMPO ô, omeo fanambinana izahay.

26 Hotahîna amin’ny anaran’ny TOMPO anie ilay avy.

Ianareo koa rarînay fitahiana

avy ato an-tranon’ny TOMPO

.

27Ny TOMPO no Andriamanitra,

ka hanazava antsika anie Izy!

Milahara mitana sampan-drofia,

ka manatòna ny zoron’ny alitara

.

28Andriamanitro Ianao ka hoderaiko,

eny, Andriamanitro ka hasandratro.

29Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:

–Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help