Jeremià 6 - Malagasy Bible

Tandindomin-doza goavana i Jerosalema

1Mandosira faingana hiala ao Jerosalema,

ianareo Benjaminita,

mba hitady fialofana any an-kafa.

Tsofy ao Tekôa ny anjomara,

manaova tsangan’afo ao Bety-Kerèma,

satria misy loza sy fandringanana goavana

mipoitra avy any avaratra.

2Indro rava ianao ry Tsiôna,

tanàna tsara tarehy sy miaingitraingitra!

3Fa tonga hatrany aminao ny olona

tahaka ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny.

Manangana toby manodidina hamelezana anao izy

ka mitondra ny andian-tafiny amin’ny tandrify azy.

4Miantsoantso ireo hoe: «Ndao hotafihina izy!

Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny

amin’ny mitataovovona!

Indrisy, efa mihilana ny andro

ary efa mandroso aloka ny hariva!

5Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny

amin’ny alina;

aoka horavantsika ireo lapany tsara tarehy!»

6Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao

amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna:

«Mikapà hazo hanaovana tovon-tany

mba hamelezana an’i Jerosalema.»

Iharan-tsazy io tanàna io

fa feno fampahoriana ao aminy.

7Mampiboiboika ny faharatsiany

toy ny fantsakana mamoaka rano izy.

Herisetra sy famoretana no mba re ao.

Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.

8Minoa anatra ianao, ry Jerosalema;

raha tsy izany, dia hihatahako ianao,

ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.

Famaizana ireo mafy fo

9Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Tangosy hatramin’ny farany

toy ny fitango voaloboka

ireo olona sisa amin’i Israely;

averimbereno eny amin’ny rantsany madinika

toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!»

(Jeremià)

10Iza no hitenenako,

ary iza no hampandrenesina hihaino ahy?

Indro tsentsina ny sofiny,

ka tsy afaka handre tsara izy.

Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO,

ka tsy ankamamîny.

11Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO,

ka tsy mahatsindry izany intsony.

(Ny Tompo)

Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe

sy amin’ny andian-tanora manontolo

izany fahatezerako tsy tantinao izany.

Fa na lehilahy na vehivavy

na ny antitra na izay efa ela niainana

dia samy hosamborina avokoa.

12Ho lasan’olon-kafa ny tranony

sy ny sahany ary ny vadiny,

satria hahinjitro ny tanako

hamely ny mponina amin’ny tany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

13Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe,

dia samy mitady tombontsoa avokoa.

Na ny mpaminany na ny mpisorona

dia samy mpamitaka avokoa.

14Alasafay fotsiny no nitsaboany

ny fahavoazan’ny vahoakako

tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»;

kanjo tsy nisy fiadanana akory!

15Tokony hahamenatra azy

ny zava-maharikoriko nataony;

nefa tsy menatra akory izy

sady tsy mahatsapa ny hadisoany.

Noho izany, hoy ny TOMPO,

dia anisan’ireo ho lavo izy;

ka amin’ny andro hamaliako azy,

no hitrosenany amin’ny tany.

16Izao no lazain’ny TOMPO:

Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha;

ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny.

Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana;

araho izany, dia hahita fitsaharana

ho an’ny fanahinareo ianareo!

Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»

17Nametrahako mpitily teo aminy,

hampaneno ny anjomara fanairana.

Kanefa hoy izy hoe: «Tsy ahoanay izany!»

18Koa henoy àry izao, ry firenen-kafa,

fantaro tsara izay hanjo azy.

19Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany:

Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho,

dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany,

satria tsy niraharaha ny teniko izy

sady naniratsira ny fampianarako.

20Nahoana moa Aho no anafarana

vovo-javamanitra avy any Sebà

sy veromanitra avy any an-tany lavitra?

Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo

ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.

21Koa izao no lazain’ny TOMPO:

Hasiako zava-mahasolafaka

eo anoloan’ity firenena ity;

ka samy ho solafaka sy ho faty eo

na ny raiamandreny na ny zanany

na ny namany sy ny mpiara-monina aminy.

Tonga avy any avaratra ny fahavalo

22Izao no lazain’ny TOMPO:

Indro misy vahoaka tonga

avy any amin’ny tany avaratra,

dia firenen-dehibe iray

miainga avy any am-paran’ny tany.

23Mampirangaranga tsipîka sy lefona

ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo.

Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony.

Mitaingin-tsoavaly izy ary milahatra

toy ny andian-tafika hiady

mba hamely anao, ry Tsiôna.

(Ny vahoaka)

24Renay izany vaovao izany

ka niraviravy tanana izahay,

sady tratry ny fanaintainana

toy ny vehivavy raha miteraka.

25Aza mivoaka ho any an-tsaha,

aza mandeha eny an-dalam-be

fa ao ny fahavalo mirongo sabatra;

ka horohoro hatraiza hatraiza.

(Ny Tompo)

26Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana

ka mihosena amin’ny vovoka;

ataovy ny fombafomba rehetra fanao

amin’ny fisaonana zanaka lahitokana,

ka mitomania fatratra ianareo

fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.

Metaly tsy azo diovina i Israely (Ny Tompo)

27Hataoko toy ny misedra vy ianao, ry Jeremià,

mba hizaha toetra ny vahoakako:

hofantarinao sy hotombananao ny fitondrantenany.

(Jeremià)

28Mpikomy maditra avokoa izy rehetra,

ka mandehandeha manaratsy;

mafy noho ny vy na ny halimo izy,

ary samy mpanao ratsy avokoa.

29Efa sempotra dia sempotra ny tafoforana,

ka tokony ho levona ny firaka noho ny hafanana;

nefa very maina ny nandrendrehana ny volafotsy

fa tsy mety miala ny taindrendrika.

30Volafotsy tsy misy ilana azy

no ilazana ireny olona ireny,

satria tsy ilain’ny TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help