Nomerỳ 24 - Malagasy Bible

1Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.

2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,

3dia nanao izao tononkalo izao:

«Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra,

teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery

4sady mandre ny tenin’Andriamanitra

no mahita izay asehon’ilay Tsitoha,

rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy

ka tonga mahiratra fijery.

5«Akory ny hatsàran’ny lainareo,

ry taranak’i Jakôba;

endrey ny hasoan’ny fonenanareo,

ry vahoaka Israelita!

6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,

mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,

velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera

nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,

7mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana

ka manondraka tsara ny saha voafafy.

Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita

ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.

8Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta

izany vahoaka izany,

ka manan-kery tsy hay tohaina

tahaka ny an’ny omby dia.

Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,

ka manapatapaka ny taolany

sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.

9Mamita-mandry toy ny liona

na tahakan’ny bibidia masiaka izy,

koa zovy no sahy hanaitra azy?

«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,

ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»

10Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe:

–Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.

11Noho izany, dia mandehana mody any amin’ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.

Nambaran’i Balahama ny hoavy mamirapiratra ho an’i Israely

12Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka:

–Efa voalazako tamin’ireo iraka nalefanao tany amiko

13fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin’ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain’ny TOMPO ihany no holazaiko.

14koa ankehitriny, handeha aho hody any amin’ny fireneko. Nefa alohan’izany, dia avia fa tiako hampahafantarina anao izay hataon’ny Israelita amin’ny vahoakanao indray andro any.

15Dia nanao izao tononkalo manaraka izao i Balahàma:

«Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra,

teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery

16sady mandre ny tenin’Andriamanitra

no mahita izay asehon’ilay Tsitoha,

rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy.

ka tonga mahiratra fijery.

17«Izao no hitako,

saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany;

izao no tazako,

saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany;

Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba,

misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita

ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita

sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.

18Lasan’io mpanjaka io koa i Sehîra,

tanin’ny Edômita fahavalony.

Maneho ny heriny kosa ny Israelita,

19fa misy mpanapaka

hiseho avy amin’ny taranak’i Jakôba

ka handringana ny sisa velona

afa-mandositra avy ao Sehîra.»

Nambaran’i Balahama ny faharavàn’ny fahavalon’i Israely

20Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao:

«Ny Hamalekita no lohalaharana

amin’ny hafa firenena rehetra;

fa ho lany ringana no hiafaràny.»

21Nahita ny Kenita koa i Balahàma ka nanonona izao teny izao:

«Mafy orina ny fonenanareo, ry Kenita,

ka azo antoka tahaka ny akanim-borona

izay voavoatra ambony vatolampy.

22Kanefa holevon’ny afo ny fonenanareo;

ary ny Asirianina no hambabo anareo.»

23Dia mbola nanonona izao teny izao indray i Balahama hoe:

«Indrisy! zovy moa no afaka ho velona,

rehefa Andriamanitra no manao famaizana!

24Hisy sambo avy any Kitîma,

mitondra olona hampahory ny Asirianina

sy hampahory ny taranak’i Hebera;

nefa ho lany ringana koa

no hiafaran’ireo mpampahory ireo.»

25Taorian’izany i Balahama dia niainga ka niverina nody tany aminy; fa i Balàka kosa nizotra lalan-kafa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help