Salamo 77 - Malagasy Bible

SALAMO Ao anatin’ny fahoriana no ahatsiarovako ny asa mahagaga vitanao fahiny

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’i Jedotòna filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Asafa.

2Andriamanitra no antsoiko mba hitarainako;

eny, Izy no antsoiko mba hihainoany ahy.

3Ny Tompo no tadiaviko amin’ny andro fahoriako;

tsy an-kitsahatra, nony alina,

no anandratako tanana any aminy,

kanefa dia tsy mety mionona ny foko.

4Mahatsiaro an’Andriamanitra aho, ka misento;

raha vao mieritreritra aho, dia rera-tsaina.

Fiatoana

5Tsy avelan’ny Tompo hikimpy ny masoko;

mitebiteby aho, ary tsy hitako izay holazaina.

6Vetsoiko ny andro fahiny,

tsaroako ny taona taloha elabe.

7Mandinika lalina aho, nony alina,

sady mieritreritra ato am-poko;

ka ny saiko dia velom-panontaniana hoe:

8«Dia hanary anay mandrakizay ve ny Tompo?

Tsy hiantra anay intsony ve Izy?

9Dia ho lany tokoa ve ny fitiavany anay?

Ho tapitra tsy hisy intsony ve ny teniny?

10Hadinon’Andriamanitra ve ny miantra anay?

Nohidiany tanteraka ve ny fony, satria tezitra Izy?»

Fiatoana

11Dia hoy aho anakampoko hoe:

«Ny mampahararirary ahy dia izao:

Tsy manao asa mahery ho anay intsony

ilay Andriamanitra Avo Indrindra.»

12TOMPO ô, tsaroako izay efa nataonao

ary tadidiko ny zava-mahagaga vitanao fahiny.

13Mandinika ireo asanao rehetra aho

ary mieritreritra ireo zava-dehibe nataonao.

14Andriamanitra ô, fahamasinana no tanjon’ny lalanao

ka tsy misy Andriamanitra lehibe toa Anao.

15Ianao irery no manao zava-mahagaga;

ary nasehonao tamin’ny firenen-kafa ny fahefànao.

16Ny herinao no nanavotanao ny vahoakanao,

dia ny taranak’i Jakôba sy ny taranak’i Jôsefa.

Fiatoana

17Andriamanitra ô, nahita Anao ny ranobe

ka raiki-tahotra;

eny, nipararetra mbamin’ny fanambanin’ny ranomasina aza.

18Nandrotsaka oram-be ny rahona,

namoaka kotro-baratra ny raho-matevina,

ary nifanaretsaka ny zana-tsipîkanao.

19Tamin’ny firohondrohon’ny kotro-baratrao

dia nahazava izao rehetra izao ny tselatra,

ary nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.

20Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao

ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina,

nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.

21Toy ny fitarihana andian’ondry

no nitarihanao ny vahoakanao

tamin’ny alalan’i Mosesy sy i Aharôna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help