Jôba 16 - Malagasy Bible

Valintenin’i Jôba: manana vavolombelona any an-danitra aho

1Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:

2Kabary efa mankaleo ahy izany reko izany:

mpampionona mahasorena ianareo rehetra,

dia ianareo izay manontany ahy hoe:

3«Hifarana rahoviana izany teny foana izany?

Sa inona no manesika anao hamaly toy izany?»

4Afaka hiteny tahaka anareo koa aho,

raha ianareo no mba teo amin’ny toerako.

Hanaovako kabary tsara lahatra ianareo

ary hanifikifi-doha ho fangorahana anareo aho.

5Hiteny aho hankaherezako anareo,

fa ny fampiononana lazaiko no hampitonena.

*

6Kanefa na dia miteny aza aho,

dia tsy mihamaivana ny fahoriako;

ary na dia mangina koa aza aho,

dia tsy misinda akory izany.

7Ankehitriny dia nandreraka ahy Andriamanitra,

fa naringany avokoa ny ankohonako rehetra.

8Ireo ketrona nataony amiko no vavolombelona,

ary ny fahiazako no miampanga sy manameloka ahy.

9Am-pahavinirana no amiraviran’Andriamanitra ahy;

manao haza lambo ahy Izy sy mikitro-nify amiko.

ary mivandravandra miseho ho fahavaloko.

10Misanasana vava handrahona ahy ny olona,

ka mamely tehamaina sady manevateva ahy

ary koa miara-mioko hamely ahy.

11Efa natolotr’Andriamanitra amin’ny tsivalahara aho

ary navelany ho eo an-tanan’ny olon-dratsy.

*

12Tonga nanakotaba ahy Andriamanitra,

tamin’iny aho nilamina tsara iny;

noraisiny tamin’ny hatoko aho ka naronjiny

ary nataony lasibatry ny zana-tsipîkany.

13Misavoana manodidina ahy hatraiza hatraiza ireny.

Trobarany tsy ananany antra ny voako;

ka mifafy amin’ny tany ny ranon’aferoko.

14Ratra miampy ratra no afitsony ahy

ary toy ny mpiady mahery no iantsampazany amiko.

15Nanjaitra lamba fisaonana aho,

mba hanaronako ny hoditro;

ary nahosiko tanaty vovoka ny handriko.

16Ny tavako efa tera-menan’ny fitomaniana;

ary alo-pahafatesana no teo amin’ny masoko.

17Kanefa tsy voaloton-kerisetra ny tanako;

ary ny fivavahako dia madio hatrany.

*

18Ry tany ô, miraraka ny rako ka aza rakofanao izany,

fa aoka ho re hatraiza hatraiza ny fitarainako.

19Dieny izao dia misy vavolombeloko any an-danitra;

ary any amin’ny sehatra ambony any misy mpiaro ahy.

20Na dia mihomehy ahy aza ny namako

dia tomany kosa no ijereko an’Andriamanitra.

21Enga anie ilay mpiaro ahy no hanelanelana

ny tenako olombelona sy Andriamanitra,

toy ny fanaon’ny olona samy olona etỳ an-tany.

22Hanelanelana anie izy, fa miserana ny taona vitsy iainako;

ary hizotra ny lalana ho amin’ny varo-tsy mifody aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help