1 Kôrintianina Sava lalana - Malagasy Bible

Sava lalana I Kôrinto dia renivohitr’i Akaîa, faritany rômanina tao Gresy fahizany. Tamin’ny fitetezan-tany faharoa nitorian’i Paoly ny Vaovao Mahafaly no nandaniany herintaona sy tapany tao. Nanorina Fiangonana tao Kôrinto i Paoly ary kristianina tanatin’izany Fiangonana izany dia olona tsy mpino teo alohan sady tsotsotra ara-pivelomana.

Tanàna lehibe nifaneraserana mponina maro karazana i Kôrinto tamin’izay, sady nandroso fatratra noho izy nanan-tseranana anankiroa (i Senkrea teo atsinanana, ary i Lekea teo andrefana); niroborobo ny varotra sy ny kolon-tsaina, niely ireo firehan-kevitra filôzôfika, kanefa nahazo vahana koa ny haratsiam-pitondrantena mbamin’ny fivavahana fanompoan-tsampy isan-tokony. Ireo tarehin-javatra rehetra ireo dia nisy fiantraikany tamin’ireo kristianina tao Kôrinto ka nanahiran-tsaina mafy an’i Paoly.

Rehefa lasa i Paoly dia matetika nandray vaovao mampanahy momba ireo kristianina tao Kôrinto; ka izany no nahatonga an’i Paoly hanoratra taratasy farahafakeliny efatra ho azy ireo. Ny taratasy anankiroa dia voatahiry ao amin’ny Test. V.; fa ny taratasy anankiroa hafa dia ireo voatsiahy ao amin’ny 1 Kôr 5.9-13 sy 2 Kôr 2.3; 7.8. Ireo taratasy anankiroa voatahiry dia nalefan’i Paoly nandritra ny dia na fitetezan-tany fahatelo nataony: ka ny voalohany avy ao Efeso (jereo 1 Kôr 16.8); ary ny faharoa dia mety avy ao Efeso ihany koa na avy any Masedônia.

Ato amin’ity Taratasy voalohany ho an’ny Kôrintianina ity, rehefa avy nanao fiarahabana sy vavaka fisaorana (1.1-9) i Paoly dia manainga ireo olona anoratany hanafoana ny fisaraham-bazana (1.10–4.21) sy hamongotra ny fitondrantena ratsy (toko 5) ary tsy haka mpitsara tsy mpino amin’ny fifanolanan’ny samy kristianina (6.1-11). Ambarany mazava ihany koa ny fomba mendrika tokony hampiasan’ny kristianina ny tenany tsirairay avy (6.12-20); ary avy eo dia ireo fanontaniana maro naroso taminy no omeny valiny:

–ny fanambadiana (toko 7),

–ny fihinanan-kena natao sorona tamin’ny sampy sy ny toe-panahy tokony hijoroana manoloana ny fanompoan-tsampy (8.1–11.1),

–ny fiaraha-miangona sy ny Fanasan’ny Tompo (11.2-34),

–ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina (toko. 12–14),

–ny fitsanganan’ny maty ho velona (toko 15).

Vaovao vitsivitsy (famoriam-bola ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jerosalema; zava-kasain’i Paoly hatao) ary koa anatra farany sy famangiana no amaranan’i Paoly ny taratasiny (toko 16).

Amin’ireo olam-piainana rehetra ireo, dia tsy fitsipika henjana ara-pitondrantena loatra no antitranterin’i Paoly. Asehony kosa fa ny iraiketam-po amin’i Kristy no ahitana vaha olana; ary dia tsy misy lalana tsara indrindra ohatra ny fitiava-namana (toko 13).

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help