1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Nataon’i Davida mpanompon’ny TOMPO.
2Voarakitra ato an-tsaiko hatrany
ny teny fikomian’ny olon-dratsy hoe:
«Tsy misy dikany aminay
ny fanajana an’Andriamanitra!»
3Mandoka tena loatra izy,
ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.
4Izay teny lazainy dia heloka sy fitaka;
nofy azy mihitsy ny hoe hanao ny tsara.
5Ao am-pandriany no isainany
ny heloka heveriny hatao;
mikiribiby amin’ny fanao tsy mety izy
ary tsy laviny akory ny ratsy.
6TOMPO ô, mahatakatra ny lanitra ny fitiavanao;
mipaka eny amin’ny rahona ny toetranao mahatoky.
7Avo toy ireo tendrombohitra ny fahamarinanao;
lalina toy ny ranomasina izany fitsarànao.
TOMPO ô, samy vonjenao
na olombelona na biby.
8Sarobidy loatra ny fitiavanao, Andriamanitra ô,
ka mitady fialofana eo ambany elatrao ny olona;
9Fenoinao harena avy ao an-tranonao izy,
ka diboka ny zava-tsoa mandriaka toy ny ony.
10Fa ao aminao ny loharanon’aina;
ny fahazavanao no manazava anay.
11Mbola anehoy fitiavana
ireo mahalala Anao;
ho marina hatrany Ianao
amin’ireo mahitsy fo.
12Tsy hanosihosy ahy anie ny mpiavonavona;
tsy haharoaka ahy anie ireo olon-dratsy!
13Indreo fa lavo etoana ny mpanao heloka,
nianjera ka tsy ho tafarina intsony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.