Salamo 141 - Malagasy Bible

SALAMO Tompo ô, ambeno aho tsy ho diso amin’ny teniko

1 Salamo nataon’i Davida.

TOMPO ô, miantso Anao aho: faingàna ho eto amiko.

Mba henoy ny feoko amin’ny fiantsoako Anao.

2Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao

toy ny eton’ny vovo-javamanitra!

Ny fanandratako tanana anie

ho toy ny fanatitra hariva!

3TOMPO ô, asio mpiambina ny vavako;

arovy ny varavaran’ny molotro.

4Aza avela hirona amin’ny zava-dratsy ny foko.

Aoka aho tsy hiaraka amin’ny mpanao heloka

na hivarilavo amin’ny fanao tsy mety

na hihinana ny hanim-pin’ireo koa!

5Raha ny olo-marina hikapoka ahy,

dia mari-pitiavana izany;

raha hananatra ahy koa izy,

dia ilomanitra soa indrindra izany

ka enga anie tsy holavin’ny lohako!

Fa ny fivavahako anie hitohy hatrany

hanoherana ny haratsian’ny mpanao heloka!

6Rehefa havarina amin’ny hantsam-bato ireo filohany,

vao hiaiky ny maha marina ny teniko ny olon-dratsy.

7Toy ny hazo tapatapahina

sy vakivakîna eny an-tsaha

no nanelezana ny taolam-balony,

rehefa hitelina azy ny toeran’ny maty.

8Ianao kosa no andrandrain’ny masoko,

ry TOMPO Andriamanitro ô;

Ianao no ialofako,

ka aza avela ho faty aho.

9Ambeno aho tsy ho voan’ny fandrika mivelatra

sy ny tadivavaran’ny mpanao heloka.

10Enga anie ireo olon-dratsy ireo

no hiara-datsaka anaty haratony,

fa izaho kosa ho afaka amin’izany!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help