Isaià 60 - Malagasy Bible

Fahazavana vaovao ho an’i Jerosalema

1Mitsangàna, ry Jerosalema ô, mamirapirata,

satria tonga ny famirapiratanao:

ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao

toy ny masoandro miposaka.

2Ny haizim-pito manarona ny tany,

ary ny alina mandrakotra ireo firenena;

fa ianao kosa no iposahan’ny TOMPO

sady isehoan’ny voninahiny.

3Ireo firenena hanatona ny fahazavanao

ary ny mpanjaka ho voasariky ny famirapiratana

izay vao miposaka eo aminao.

4Topazo maso ny manodidina anao ka jereo:

Indreny izy rehetra fa mivory hankeo aminao.

Ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra,

ary ny zanakao vavy kosa trotroina.

5Ho miramirana ianao hahita izany

ka ho tohina mafy sy hibita-kafaliana ny fonao,

fa ny haren’ny ranomasina hoentina eo aminao

ary ny fananan’ny firenen-kafa hatolotra anao.

6Rameva maro no handrakotra ny taninao,

dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà;

tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà.

Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny

ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.

7Hangonina ao aminao avokoa

ny ondry aman’osin’ny Kedarita,

ary haroso amin’ny fanompoam-pivavahanao

ny ondrilahin’ny Nebaiôta;

hakarina eo amin’ny alitara ireny

ho sorona ankasitrahin’ny Tompo.

Dia izany no hampamirapiratany

an’ilay tempoly itoeran’ny famirapiratany.

8Iza àry ireto olona ireto? Manidina toy ny rahona

na toy ny voromahailala mody any an-tranony ireto?

9Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo

no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy.

Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao

miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany:

tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao,

dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.

10Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao,

ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo.

Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra

fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny

ny haneho famindrampo aminao.

11Hivoha hatrany ny vavahadinao

ka tsy hakatona na andro na alina

mba hampidirana hankao aminao

ny fananan’ny firenen-kafa

sy ireo mpanjakany efa voababo.

12Ho levona ny firenena sy fanjakana

izay tsy mety hanompo anao;

ho ringana tokoa ireny firenena ireny.

13Ny voninahitry ny hazo rehetra any Libano,

dia ny kipreso sy ny sapay ary ny bokso,

no indray ho tonga ao aminao

mba handravahana ny Toeramasiko.

Izany no hanomezako voninahitra

ny trano misy ny fitoeran-tongotro.

14Hanatona hiondrika eo anatrehanao

ireo olona nampahory anao,

ary handohalika eo am-paladianao

ireo rehetra naneso anao

ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO»

«I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»

15Nafoy ianao teo ka tsy nisy tia anao

na mba nandalo nijery anao akory,

fa izao dia hataoko foto-pireharehana ianao

ho an’ny taonjato mifanesisesy

ary hataoko foto-pifaliana

ho an’ny taranaka mifandimby.

16Ny firenen-kafa sy ny mpanjakany

no hamahana sy hamelona anao;

ka ho fantatrao fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao,

Izaho ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao.

17Volamena no hoentiko ao aminao,

volamena ho solon’ny halimo,

ary volafotsy ho solon’ny vy;

halimo no hoentiko ho solon’ny hazo,

ary vy ho solon’ny vato.

Satria ny fahefana amam-pitondrana haoriko ao aminao

dia ny fiadanana sy ny fahamarinana no hiompanany.

18Tsy ho re ao amin’ny taninao intsony ny fampahoriana

na ao amin’ny faritaninao ny faharavana sy fahasimbana.

Fa ny mandanao hantsoinao hoe: «Famonjena»;

ary ny vavahadinao hantsoinao hoe:

«Fiderana an’Andriamanitra.»

19Tsy mba ny masoandro intsony

no ho fanazavana anao amin’ny andro;

tsy mba ny volana mangarangarana intsony

no ho fanazavana anao amin’ny alina;

fa Izaho TOMPO Andriamanitrao

no ho fanazavana anao mandrakizay

sy ho famirapiratanao.

20Tsy hilentika intsony toy ny masoandro

ny fanazavana anao amin’ny andro,

tsy hisoka intsony toy ny volana

ny fanazavana anao amin’ny alina

satria Izaho TOMPO mihitsy

no ho fanazavana anao mandrakizay;

ka hifarana hatreo ny andro fisaonanao.

21Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina

ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay.

Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy

ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.

22Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo,

ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery.

Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany

amin’ny fotoana tokony hahatongavany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help